« Fa voavono Kristy, Paska ho antsika » (1Kor 5.7b)
Omen’ny Tompo andraikitra lehibe ny Tafo sy ny vahoakan’Andriamanitra hampiely izany vaovao mahafaly izany amin’ny olona rehetra, ary koa haneho ny finoany amin’ny fahazotoana manao ny asany. Maro ireo asa miandry antsika eto amin’ny Fatsan; singanina amin’ireny ny Lasy AMF-FIFOHAZANA any Bordeaux (15-16 Aprily) sy ny sahan’asa lehibe dia ny fikarakarana ny fametrahana ny mpitandrina matihanina handrindra ny tafo Clermont-Ferrand sy ny Faritany Atsimo-Andrefana. Entintsika am-bavaka ireo asa ireo. Mirary ny herin’ny faherezana avy amin’ny Fanahy Masina ho amintsika eo am-panomanana sy fanatontosana izany.
LASY ANTOKO MPIHIRA SY FIFOHAZANA
Ho tanterahina ny 15 sy 16 aprily any Bordeaux ny lasy hiombonan’ny AMF sy ny SAFIF.
Ny antoko-mpihiran’ny faritany atsimo andrefana dia hanatanteraka toriteny an-kira mandritrany fotoam-pivavahana ny alahady maraina 16 avril.
« Fa voavono Kristy, Paska ho antsika » (1Kor 5.7b)
Omen’ny Tompo andraikitra lehibe ny Tafo sy ny vahoakan’Andriamanitra hampiely izany vaovao mahafaly izany amin’ny olona rehetra, ary koa haneho ny finoany amin’ny fahazotoana manao ny asany. Maro ireo asa miandry antsika eto amin’ny Fatsan; singanina amin’ireny ny Lasy AMF-FIFOHAZANA any Bordeaux (15-16 Aprily) sy ny sahan’asa lehibe dia ny fikarakarana ny fametrahana ny mpitandrina matihanina handrindra ny tafo Clermont-Ferrand sy ny Faritany Atsimo-Andrefana. Entintsika am-bavaka ireo asa ireo. Mirary ny herin’ny faherezana avy amin’ny Fanahy Masina ho amintsika eo am-panomanana sy fanatontosana izany.
Ny Filohan’ny FATSAN Ny Mpitandrina mpandrindra ny FATSAN
VAOVAO TAFO
VONDRON’ASA SERASERA
« Ny fandaharana Voantsinapy n’ny Radio Antson’ny Filazantsara izay miompana amin’ny Paska 2023 dia efa mivoaka ao amin’ny facebook sy ny site fpma toulouse ary manasa am-pitiavana antsika hihaino finaritra »
« Ny Gazety Fiainana laharana faha-243 dia efa nivoaka ary ho zaraina amin-tsika etsy am-pivoahana »
SLK
Ny isantaonan’ny SLK dia ho tanterahana ny Asabotsy 22 Aprily sy ny Alahady 23 Aprily izao.
Asabotsy 22 Aprily
3 ora tolakandro : Fiofanana miaraka amin’ny mpitandrina Elysé Andriamiandra hanasana ny fiangonana iray manontolo mitondra ny lohateny hoe:
Jobily mariazy ka afaka misoratra anarana any amin’ny birao SLK ireo mpivady izay nahatratra ny faha-5 taona, faha-10 taona, faha-15 taona .. sns… nanamasinana ny fanambadiany.
STA
1- « Car nous sommes plusieurs, nous formons un seul corps en Christ – Rom 12 : 5a
Tu es membre de la STA ? alors oui l’écusson est pour toi, à chaque évènement de l’église et du sampana tu seras invité à le mettre.
Pour marquer et nous identifier en tant que STA et pour soutenir les activités de notre sampana, un écusson au prix de 5€ est en vente à la sortie du culte.
2- L’opération vente de Bible continue, le fournisseur a de nouveau du stock, Vous pouvez commander soit en version française ou malgache , version DIEM ou version classique au prix de 35€.
Le stand STA sera présent à chaque fin de culte.
H'ENDRIPEO
Hankalaza ny isan-taonany ny sampana ny 13 sy ny 14 Mey 2023. Dia efa fandrio sahady izany daty izany.
STATUT TYPE FPMA
Antsoina ny mpandray ny fanasan’ny Tompo ny Alahady 23 Aprily 2023 fa hisy raharaha ho dinihana handaniana ny Statut Type FPMA izay tsy maintsy hapetraka any amin’ny préfecture alohan’ny 30 Jona 2023.
FOTOAMBAVAKA TRANO FIANGONANA
“Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary moa hitaredretra va Izy?” Lioka 18:7
Mampahatsiahy ny fiangonanamanonontolo hiombona amin’ny fotoambavaka ho an’ny trano Fiangonanany Asabotsy 15 Aprily izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro
HETSIKA VINA TRANO FIANGONANA
Mikasa hanao hetsika lehibe ho an’ny vina trano Fiangonana isika ny Asabotsy 27 Mai mitondra ny lohateny hoe TARANAKA VOAFIDY ka fandriho dieny izao ny diarinao.