Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:
.
VAOVAO NASIONALY
FIOFANANA SAP/ KNPL
Mitohy ny fampianarana SAP/KNPL isaky ny Alarobia hariva amin’ny alalan’ny phone call na zoom amin’ny 8 ora alina. MAMPANDRE ANTSIKA FA NIOVA NY COORDONNEES DE CONNNEXION.
VAOVAO TAFO
RAKI-PISAORANA
« Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin’izay rehetra miantso Anao. » Salamo 86, 6.
Olona tsy mitonona anarana nanolotra raki-pisaorana 200 euros : 100 euros ho an’i Mpitandrina ary 100 euros ho an’ny Trano Fiangonana. Mangataka ny fihirana fanampiny 32 (« Aza avela »)
FNM
Nous avons le plaisir de vous annoncer un concert de 2 chorales : Feon’ny Mazava et Atout Chœur. Un concert exceptionnel avec la participation organisationnelle de l’association fahazavana.
Ceci se déroulera le Samedi 20 Mai 2023 à 17h00 à la salle des Fêtes Albert Camus 1 place de la république 31270 Cugnaux. La PAF est de 20 € pour les adultes et les gratuits pour les enfants de moins de 12 ans.
Les billets sont disponibles auprès des membres du bureau Feon’ny mazava. Venez nombreux.
STA (jusqu’à fin Avril)
– L’opération vente de Bible continue, le fournisseur a de nouveau du stock, Vous pouvez commander soit en version française ou malgache , version DIEM ou version classique au prix de 35€.
Le stand STA sera présent à chaque fin de culte.
H’ENDRIPEO
La section H’endripeo vous invite à son Isantaona le samedi 13 Mai concert à 19h au Vieux Temple et le dimanche 14 mai culte à 10h30 sous le thème ME VOICI ENVOIE-MOI
SAMPANA TILY
Ny fiaingan’ny Sampana Tily ho any @ Rnt izay atao any Giel Courteilles dia ny Zoma 28 /04 izao @ 8 Ora alina eo @ station de métro Rangueil. Eo ihany koa ny fahatongavana ny Alatsinainy 1er Mai fa ny Ora no hamafisina ny androtr’io. Aza adinoina ny autorisation de camper sy fiche sanitaire ho an’ny beazina. Ny kojakoja rehetra ilaina @ lasy kosa Dia ampitain’ny mpiandraikitra isan- tsokajiny avy .
STATUT TYPE FPMA
Ho laniana androany ny statut vaovao FPMA TLS handaniana ny Statut Type FPMA izay tsy maintsy hapetraka any amin’ny préfecture alohan’ny 30 Jona 2023.
ETUDES BIBLIQUES & PERMANENCES
Congés ny mpitandrina manomboka ny 24 Aprily ka hatramin’ny 29 Aprily. Arak’izany dia tsy misy ny permanences mandritra ity herinandro ity. Tsy misy ny études bibliques amin’ny Talata izao.
DIARY
Ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 30 Aprily dia amin’ny 10 ora sy sasany maraina ao amin’ny Vieux Temple
Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra