
Alahady 11 Jona 2023
Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:
VAOVAO NASIONALY
FIOFANANA SAP/ KNPL
Mitohy ny fampianarana SAP/KNPL isaky ny Alarobia hariva amin’ny alalan’ny phone call na zoom amin’ny 8 ora alina.
VAOVAO TAFO
FAMANGIANA
1-Ny famangiana ny fianakaviana RUMAUX izay namoy ray dia ho tanterahina anio
2-Ny famangiana ny fianakaviana RASOLOMALALA izay namoy zanaka sy ny fianakaviana BEHAVANA izay namoy iray tampo dia ho tontosaina ny Alahady 18 Jona any amin’ny Vieux temple ihany koa.
ISANTAONA STA 17-18 Jona
« Servez l’Eternel avec joie » Psaumes 100 : 2a.
Pour finir l’année dans la joie et dans la bonne humeur,
Une sortie aura lieu le 17/06 à TEPACAP à Rieumes- rdv devant à 10h.
Pour les enfants inscrits à la STA : le prix d’entrée est de 2€
Pour les parents soit 7€ si aucune activité ou 15€ pass fun pour participer aux jeux proposés
L’inscription est obligatoire et jusqu’au jeudi 15/06. Date impérative.
Ny Alahady 18 Jona dia fotoampivavahana manomboka @ 10 ora maraina eto @ VT ka misy ny fizaràna loka STA, ny fankalazan any fetin’ny Ray
STK
1 Pierre 1:15-16
«Mais, puisque celui qui vous a appelés est saint, vous aussi soyez saints dans toute votre conduite, selon qu’il est écrit: Vous serez saints, car je suis saint.»
la STK à le plaisir de vous inviter à son Vendredi des Jeunes, le vendredi 16 Juin prochain à 19h30 au Vieux-Temple.Intitulé « Jamais 2 sans toi », cette soirée ayant pour thème les relations garçons/filles est ouverte à toutes et à tous !
Ainsi nous vous attendons nombreux pour cette soirée ludique de louanges, de prières, et d’édification !
Soyez bénis »
SAFIF
« Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.» 1Korintiana 3:11
Ny Convention 2023 – Isan-kerintaona faha-34 an’ny Fifohazana FPMA dia hotanterahina any Giel-Courteilles (800 km avy eto Toulouse) mandritra ny herinandro (ny 17 ka hatramin’ny 23 jolay ho avy izao).
Ny saran-dasy dia 150€ isan’olona
Ny saran-dalana dia tena mavesatra noho ny fahalaviran’ny toerana. Koa misy « Urne » anentanan’ny Sampana antsika mba hifanomezantsika tanana amin’ny fanampiana ny mpiangona rehetra ato amin’ny FPMA Toulouse izay manam-paniriana handeha amin’izany Convention izany.
«Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.»
(Filipiana 4:19)
Numéro de téléphone:
BEHAVANA Angelina
06 79 58 65 40
Mifarana ny alahady 25 Juin ny fisoratana anarana
SAMPANA TILY
Faly manasa ny Fiangonana manontolo ny Sampana Tily hankalaza ny fetim pirenena. Arak’izay dia hasaina isika ho Tonga maro amin’ny « Kerimesy Tilykambo » izay karakarain’izy ireo ny Asabotsy 24 Jona manomboka @ 2 Ora tolakandro ao Salle des fêtes du centre de loisirs du Barricou any Beauzelle.
Hisy varotra fampisehoana, lavanty , ary lalao maro amin’izany ho an’ny sokajin- taona isankarazany . Hisy ihany koa lalao mahakasika ny Teny Malagasy izay fanitsiana tsipelina sy fomba fiteny diso , hisy fampianarana mahandro sakafo malagasy ihany koa.
Izany rehetra izany Dia ravahana hira sy dihy, Tsikitsiky Ary sakafo sy tsakitsaky Malagasy hamidy @ vidiny mirary. Harendrina miavaka kely ho an’ny rehetra no hamaranana ny fotoana.
Tongava maro fa fotoana iray hanangonantsika ihany koa ny hoentimanana ho an’ny Trano Fiangonana io hetsika io arak’ilay Teny faneva hoe » Ndao isika hitsangana sy hanangana » Nehemia 2 18.
CONCERT TGC
MISANDRATA IANAO TGC EUROPTOUR 2023
Hisy concert lehibe miaraka @ tarika TGC avy any Madagasikara ny zomà 30 Jona @ 8 ora alina ao @ salle XERACO any Bruguières ao anatin’ny fandalovan’ny tarika eto eoropa sy ho fanohanana ny VINA TRANO FIANGONANA izay ataontsika FPMA Toulouse. Ny hetsika dia haoriana amin’ny hoe « TARANAKA VOAFIDY ».
Toy izao ny fidiràna:
* 20 euros ho an’ny olona mihoatra ny 16 taona.
* 15 euros ho an’ny ankizy 10 taona ka hatramin’ny 16 ans (inclus ny 16 taona).
Hisy fisarihana ny nomeraon’ny tapakila fidirana izay lafo ary mety ahazoana loka, toy ny séjour complet (vol sy hébergement) eto Eoropa, sy loka hafa koa.
Afaka ataonao ny mividy ny tapakila eo amin’ny stand misokatra isaky ny alahady, na any amin’ny komity, na afaka mividy en ligne amin’ny alalan’ny rohy voasoratra eo amin’ny flyer.
Tongàva maro ary entano ny namanao.
Mangataka olona afaka manampy mitatitra ny tarika TGC mankany @ toerana hatoriany ny zomà 30 Jona sy maka azy ny maraina hamonjy ny toerana nhiaingana maraina ny ampitso. Afaka manatona ny vondron’asa sosialy (Fafà sy Salama) isika.
ETUDES BIBLIQUES
Tsy misy
PERMANENCES
Tsy misy koa ny permanences.
Ny Mpitandrina dia hanaraka fitsaboana manokana CURE THERMAL ivelan’ny Toulouse manomboka ny Talata 13 jona ka hatramin’ny 5 Jolay. Koa afaka mifandray @ Filoha na Filoha Mpanampy isika raha misy ilàna azy mandritry izany fotoana izany
DIARY
Ny alahady 18 Jona amin’ny 10 ora maraina eto amin’ny Vieux temple ny fanompoam-pivavahana. Isantaona STA
Ny Alahady 25 Jona dia hiarahana amin’ny fiangonana rahavavy FKMT ny fanompoampivavahana ho fankalazana ny fetim-pirenena. Izany dia hatao ao amin’ny fiangonana Notre Dame de Lourdes amin’ny 10 ora sy sasany maraina.
Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.