Alahady 08 Oktôbra 2023

Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:

VAOVAO NASIONALY

FIOFANANA NASIONALY

Mitohy ny fampianarana iraisana eto @ FPMA SAP/KNPL/DVE/VFL/Education isak’Alarobia 20h-21h misokatra ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny phone call sy zoom araky ny hita eo amin’ny solaitra manjelatra ka azonareo Alaina ny coordonées samihafa.

ZAIKABE NASIONALY

Mampandre antsika fa ho tanterahina ny 4-5 Novambra ho avy izao en distanciel ZOOM ny Zaikabe Nasionaly.

Omena antsika ny andinindiny rehetra rehefa voaray avy @ mpikarakara

VAOVAO FARITANY

LASY SLK & SVK FATSAN

Ny ALahady 15 Oktobra famaranana ny lasy dia any Masseube no atao ka misy koa fisoratana anarana amin’ny sakafo atoandro izay misokatra dieny izao ka 6 euros ny lehibe ary 5 Euros ny ankizy 4 -10 taona.

Hisy ko any covoiturage ho an’ireo tsy manana fiara ka toy ny mahazatra dia mba milaza isika raha afaka mitondra olona sy ireo izay mitady toerana.

VAOVAO TAFO 

SAMPANA TILY

Ny sampana Tily dia faly mampatsiahy ny Fiangonana manontolo  ny fanasan’izy ireo hanotrona azy ireo @ fankalazanany ny Isantaonany sady fanokafana ny taom-panabeazana 2023/2024 .
Toy izao ny fandaharam-potoana
– Ho an’ny ankizy sy tanora maniry hiaraka hilalao amin’ny Tily  dia hisy ny « Journée Copains » ny Asabotsy 21 Octobre 2023 @ 9ora sy sasany hatr@ 5 ora ao @ Jardin Japonais ao Compans Caffarelli
– @ 7 ora hariva eto @ Vieux Temple : Rindran-kira hataon’ny Tarika Vonjy ny Asabotsy 21 Oktobra 2023. Tsy hisy vidim-pidirana fa hisy fizarana valopy hanaovantsika fanatitra manokana ho an’Andriamanitra ho fanohanana ny asan’ny Sampana Tily. Hisy koa tsakitsaky sy sakafo hariva hamidy @ vidiny mirary.
Voafetra ny toerana koa manasa antsika hisoratra anarana .
Ny Alahady 22 Oktobra 2023 dia manasa antsika rehetra @ fanompoam-pivavahana tarihan’ny Sampana Tily: fiderana an’Andriamanitra sy fitondrana am-bavaka ny Tily Fivondronana Capitole Toulouse. Ny lohahevitra amin’izany dia  » Aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo »  Romana 12: 11  Hisy vokatra hokarakarain’izy ireo aorian’izany koa izay maniry handray anjara dia manao famandrihana ihany koa alohan’ny 18 Octobre. Panier repas misy  » Sandwich exotique au poulet + éclair au chocolat ary rano = 10€ »
Manantena ny fanohanantsika ary izay mila fanazavana fanampiny dia hasaina hifandray @ Birao na Mpiandraikitra Tily
Tanana Havia!

FEON’NY MAZAVA

Dia efa miomana isika amin’ny SAVE THE DATE mikasika ny concert FNM ny Asabotsy 25 Novambra.

FIFIDIANANA DIAKONA 2024-2025

“Betsaka ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy, koa amin’izany mangataha amin’ny tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra” Matio 9:38

Mitohy ny fisoratana ao amin’ny cahier eo ampidirana na any @ Mpitandrina ary mifarana izany ny 15 Oktôbra 2023 sasakalina.

Azo atao ny manolotra anarana rehefa nanaiky ilay olona noresahina. Ny fifidianana dia hatao ny Alahady 29 Oktôbra 2023. Toy ny mahazatra dia misy ny entretien miaraka @ Mpitandrina mialoha ny fifidianana.

Hisy fanavaozana ny lisitry ny Mpandray manomboka izao ka hatramin’ny herinandro mialoha ny fifidianana. Hiangaviana isika hamerina ilay formulaire de recensement any amin’ny tompon’andraikitra ho an’izay mbola tsy nanao izany.

RAKITRA SY ADIDY ARY VINA TRANO FIANGONANA

Mbola mampirisika antsika hatrany amin’ny fandraisana anjara amin’ny rakitra sy adidy izay somary nidina tato ho ato sy ny fanohanana ny Vina Trano Fiangonana.

ETUDES BIBLIQUES

Mitohy ny études bibliques ny Talata 10 Oktôbra amin’ny 7 ora sy sasany hariva amin’ny alàlan’ny Zoom.

PERMANENCES

Misy ny permanences an’i Mpitandrina ny Talata amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro tsy miato (Journée continue) ary ny Alakamisy manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro. 

KATEKOMENA

Miverina ny fianarana Katekomena androany amin’ny 4 ora tolakandro eto amin’ny Vieux-Temple.

(Ny Fisoratana anarana dia mbola mitohy any @ Mpitandrina.)

DIARY 

Alahady 22-29 Oktobra Vieux temple @ 10 ora sy sasany maraina

Alahady 15 Oktôbra : Any Masseube ny fonompoam-pivavahana

Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web