
Kate10 – NY FANEKEM-PINOANA
I. NY FANEKEM-PINOAN’NY TESTAMENTA TALOHA
Ny Fanekem-pinoana voalohany teo amin’ny Isiraely dia ny hoe :
Mpanjenjena ny razantsika, ary tànana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta (Eks.13 :9,14,16 ; Deot.5 :15 ; 26 :8)
Ny fanekem-pinoana raikitra kosa taty aoriana dia ny antsoiny hoe : Chema Israël : « Ecoute, Israël »
Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.
Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha;
ary fehezo ho famantarana eo amin’ ny tànanao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao,
ary soraty eo amin’ ny tolam-baravaran’ ny tranonao sy eo amin’ ny vavahadinao. (Deot.6 :4-9)
Tononina isan’andro, maraina sy hariva, na eo amin’ny olona miala aina, na ataon’ny zatovo eo amin’ny fahamaotinany (majorité) izany. Soratany eo amin’ny filakitera, na eo amin’ny handriny na ny tanany havia na ao anaty horonan-taratasy apetraka eo ambony tolam-baravarana izany.
II. NY FANEKAM-PINOANA KRISTIANA
Ny Baiboly manontolo no nanovozana azy,
Tany am-boalohany ny fanekem-pinoan’ny Fiangonana dia ny Kerygma ( fanambaràna am-pahibemaso) izay anononana ny finoana fototra : « Jesosy Kristy , Zanak’ Andriamanitra, no Mpamonjy. »
Anisan’ny nampiasaina koa ny Fil.2 :11 : « Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’ Andriamanitra Ray. »
Ny anisan’ny nalaza tamin’ireo taonjato voalohany ny Kerigman’i Petera araka ny Asa 2 :22-24,32, 38
« Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’ Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,23 Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna;24 fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitr’ izany hohazonina Izy.
32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan’ Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra.
38 Koa mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina»
Ny Kerygman’i Paoly kosa dia fohy kokoa ary nanindry bebe kokoa ny amin’ny Fitsanganana amin’ny maty araka ny 1Kor.15 :1-8 :
« 1 Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana hianareo.3 Fa natolotro anareo ho isan’ ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina,4 dia nalevina, ary natsangana tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;5 ary niseho tamin’ i Kefasy Izy, dia vao tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy koa.6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan’ ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ i Jakoba Izy, dia tamin’ ny Apostoly rehetra.8 Ary faran’ izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa. »
Manoloana ny fahadisoam-pinoana nihanaka anefa dia nanoratra ny Fanekem-pinoana ny Fiangonana ka ny lehibe tamin’ireny dia ny :
- ·Ny Fanekem-pinoana Apostolika
- ·Ny Fanekem-pinoana Niseana na Nisea-Konstantinopla.
1. Ny Fanekem-pinoana Apostolika
Voalaza tamin’ny taon-jato faharoa no nipoirany tany Roma, ka natao indrindra hotononina teo amin’ny Batisa izany. Voalaza fa ny Apostoly mihitsy no nampita azy ary toy izao izany :
“ Mino an’ Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.
Ary mino an’ i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ ny Fanahy Masina, naterak’ i Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan- tsy hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an-danitra, mipetraka eo an- kavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty.
Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka , ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay . Amena”
Niorina tamin’ny Soratra Masina avokoa ny andalana rehetra ao aminy:
- Mino an’ Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho. (Ef.3:9; 1Kor.8:6)
- Ary mino an’ i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika (1Jao.2:22; Mar.3:11)
- izay notorontoronina tamin’ ny Fanahy Masina, naterak’ i Maria Virjiny (Lio.1:35)
- nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan- tsy hita (Mat.27:2; Asa2:23; 1Kor.15:3; Asa 2:31
- nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo (1Kor.15:4)
- niakatra ho any an-danitra, mipetraka eo an- kavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha (1Pet.3:22)
- avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty. (2Tim.4:1)
- Mino ny Fanahy Masina aho (jao.14:26)
- ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina (Mat.16:18; Ef.5:29-30)
- ny famelan-keloka (Mat.26:28)
- ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty (1Kor.15:13)
- ary ny fiainana mandrakizay (Mat.25:46)
2. Ny Fanekem-pinoana Niseana
Ny Fanekem-pinoana niseana (Symbole de Nicée-Constantinople) dia vokatry ny asa indroa miantaona tao amin’ireo tanàna roa ireo dia Nicée (Iznic ankehitriny any Torkia) izay nanaovana ny concile voalohany tamin’ny taona 325, sy tao Constantinople (Istambul ankehitriny any Torkia) tamin’ny 380. Nentina nanohitra ny fiviliam-pinoana (hérésie) tahaka ny arianisma izay nilaza fa tsy tena Andriamanitra I Jesosy Kristy na dia zanak’Andriamanitra aza, sy ny monophysisma (natelin’ny maha-Andriamanitra an’i Kristy ny maha-olona azy=tsy tena olona), ary ny makedonianisma izay manda ny fitovian’ny Fanahy Masina toetra amin’ny Ray sy ny Zanaka.
Toy izao ny Fanekem-pinoana niseana:
“Isika mino an ‘ Andriamanitra Iray , Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita.
Ary mino an’ i Jesoa Kristy Tompo iray, Zananilahy Tokan’ Andriamanitra, nateraky ny Rainy talohan’ izao rehetra izao, ny Mazava avy amin’ny Mazava, Andriamanitra tokoa avy amin’Andriamanitra , nateraka fa tsy natao, miray amin’ny Ray amin’ny zavatra rehetra; Izy no nahariana izao rehetra izao. Noho ny amintsika olombelona sady ho famonjena antsika dia nidina avy tany an- danitra Izy, ary nataon’ny Fanahy Masina nofo avy tamin’i Maria Virjiny, dia tonga olona Izy.
Nohomboana tao amin’ny hazo fijaliana ho fanavotana antsika, tamin’ny nanapahan’i Pontio Pilato Izy; nijaly Izy ka nalevina. Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo araka izay voasoratra Izy. Niakatra ho any an- dranitra Izy, ary mipetraka ao an-tànana ankavanan’ ny Ray ; avy any no hiaviany indray amin’ny voninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary mandrakizay ny Fanjakany.
Isika mino ny Fanahy Masina, Tompo sady Mpanome aina, izay avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ka itsaohana sy ankalazaina miaraka amin’ ny Ray sy ny Zanaka; Izy dia niteny tamin’ny vavan’ ny mpaminany. Isika mino ny Fiangonana Iray, miorina amin’ ny fanambaran’ ny Apostoly ary manerana izao tontolo izao. Isika manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka sady manantena ny fitsanganan ‘ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena. »
Ireo Fanekem-pinoana ireo no lehibe sy tranainy indrindra tamin’ireo fanekem-pinoana kristiana. Ny Fiangonana anefa dia samy niezaka, arakaraky ny firehana nananany, hamaritra ny foto-pinoany mba hampiorenany ny maha-izy azy sy ho fitaizana ny vahoakany. Ka ireto avy ireo karazam-panekem-pinoana malaza misy :
- ·Ny Fanekem-pinoana atanaziana
- ·Ny Fanekem-pinoan’ny La Rochelle
- ·Ny fanekem-pinoana araka ny Soratra Masina
Ny Fiangonana sasany koa dia manaiky Fanekem-pinoana malalaka izay atao na soratan’ny olona amin’ny fotoana manokana.
Ny fanekem-pinoana rehetra anefa dia nosintonina avy amin’ny Soratra Masina avokoa ary manaraka ny firafitra sy foto-kevitra fonosin’ny Fanekam-pinoana Apostolika sy niseana.
Natao hambara am-pahibemaso (declare) ny Foto-pinoana, ka sady hitenenana amin’ny tena izy, no hitenenana amin’ny mino no itenenana amin’ny tsy mino koa.