Kate 8 – NY FAHATONGAVAN’I JESOA KRISTY SY NY ASANY

Ny fahatongavan’i Jesosy Kristy dia efa hitantsika fa sady nomanina no efa nambara mialoha. Araka izany, dia efa taratra tao amin’ny Testamenta Taloha sahady ny fomba nahatongavany sy ny asany.

Koa ‘ndeha hojerentsika ireo azo ambara fa lehibe tokony homarihina amin’ireo izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina.

1. Ny fahatongavany ho olona.

Ny famonjena dia avy amin’Andriamanitra, satria tsy mahavonjy tena ny mpanota, fa tsy afaka sady vonjena izy no mamonjy. Tao amin’ny Testamenta Taloha dia ny biby tsy misy kilema no natao sorona hisolo ny olona, ka ny rany nalatsaka no mamafa ny heloky ny mpanolotra ny biby hatao fanatitra. Tsy tanteraka anefa io fisoronana io satria ambany noho ny olona ny biby, ka tsy ampy hanafaka tanteraka ny olona amin’ny otany.

Tokony ho avy amin’ny olona ihany no hitahiana ny olona rehetra araka ny fikasan’Andriamanitra tao amin’ny fifidianana an’i Abrahama (Gen.12 :3 ; 22 :18), nefa tsy tanteraka ny olona, fa tsy nahatoky mandrakariva izy. Koa dia ny Zanany mihitsy no nirahin’Andriamanitra hamonjy ny mpanota (Gal.4 :4), tonga olona, tahaka antsika, hisolo ny olombelona rehetra teo amin’ny Hazofijaliana, ka hitondra fitahiana ho azy (Jao.1 :1-4, 14 ; Asa 3 :25 ; Heb.6 :14 ; Gal.3 :14).

2. Ny mpialoha : Jaona Mpanao Batisa

Fomban’Andriamanitra ny manao ny zavatra rehetra amim-pahendrena sy filaminana ary amin’ny fotoany (1Kor.14 :33). Ny Mpaminany dia efa nanambara mialoha ny amin’izany mpialoha lalana izany ary nifanaraka tamin’izany ny zavatra niseho (Is.40 :3-5 ; Lio.3 :4-6). I Jaona Mpanao Batisa dia nambara fa ho avy amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia (Mal.3 :1 ; Mat.11 :10,14 ; Lio.1 :17 ; 7 :27) ary izy dia nahalala tsar an’i Jesoa ho Kristy (Jao.1 :19-23, 29,36).

3. Ny asany

  • Fahagagana :

Ny fahagagana dia famantarana (signe) fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Milaza ny fahatanterahan’ny teny fikasana mikasika an’i Kristy izany, izay fanamafisana ny finoana.

Is.29 :18 ; 35 :5 ; 42 :7                          Mat.11 :5 ; Mar.7 :12 ; 9 :25

Jao.2 :23 ; 3 :2 ; 7 :31 ; 14 :11 ; 20 :30

  • Vaovao Mahafaly (Filazantsara :

Ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly momba ny famonjena no fototry ny asan’I Kristy tety an-tany. Niseho tamin’ny toriteny sy fampianarana izany, nefa naseho tamin’ny asa maro koa izay maneho izany.

Is.52 :7 ; 61 :1,2                                    Mat.4 :23 ; 9 :35 ; Mar.1 :14

Lio.4 :18 ; 7 :22 ; 20 :1 ; Rom.10 :15

Is.50 :4,5                                               Mat.11 :29

  • Fiadanana :

Is.57 :19                                                Asa 10 :36 ; 2Kor.5 :19-20

  • Ranon’aina :

Ny resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ilay vehivavy samaritana teo am-pantsakana araka ny Jaona 4 dia maneho ny halehiben’ny fanomezana entiny ho an’ny mino, dia ny ranon’aina izay manondro ny Fanahy Masina, loharanon’aina.

Is.55 :1                                                  Jao.4 :14 ; 7 :37-39 ; Ap.21 :6

  • Fanavotana :

Ny fanavotana na fividianana dia manambara ny fisoloana nataon’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana araka ny voalaza etsy ambony. Ny avotra dia ny fanafahana antsika amin’ny alalan’ny ran’i Kristy sy ny herin’ny Fanahy Masina mitarika ho amin’ny fiainam-baovao.

Is.43 :14-15, 25                                     Lio.5 :21-24

  • Fitsaharana :

Jer.6 :16                                                Mat.11 :28-29

  • Fahazavana :

Is.9 :1 ; 42 :6 ; 49 :6                              Jao.1 :4 ; Mat.4 :16 ; Lio.2 :32

Jao.8 :12 ; 9 :5 ; Asa 26 :23

4. Ny vato nolavin’ny mpanao trano

Ny vato na vatolampy dia sary nentina nanambara an’Andriamanitra ho fiarovana sy famonjena ny olony (Sal.18 :2,31,46 ; 31 :2 ; 42 :9 ; 62 :2,6,7 ; 71 :3 ; 78 :35 ; 89 :26 ; 92 :15 ; 94 :22 ; 95 :1).

Nampanantena Andriamanitra fa handefa an’i Kristy, izay vato fehizoro (Is.28 :16 ; jereo 1Kor.3 :11 ; Ef.2 :20 ; 1Pet.2 :6) ho an’ny olona, ka izay mino Azy dia tsy ho tafintohina mandrakizay, fa ny sisa kosa dia ho solafaka (Is.8 :13-14 ; jereo Rom.9 :32-33 ; 10 :11)

Nihevitra i Isiraely fa tena nino an’Andriamanitra, saingy ny fony dia lavitra Azy (Is.29 :13 ; Mat.15 :8). Amin’Andriamanitra anefa dia endirky ny fandavana Azy izany (Jao.1 :11).

Nambaran’ny mpaminany fa ny Mesia dia ho tonga amin’ny fanetren-tena (Zak.8 :9) fa tsy mbola hiseho amin’ny voninahitra sy ny fahefana ary ny hery lehibe aloha. Ny fahaterahany tany Betlehema, tany am-pihinanam-bilona satria tsy nisy afaka nandray Azy (Lio.2 :12,16), sy ny nonenany tany Nazareta, tanàna kely tsy nisy fotony (Jao.1 :46) dia manamafy izany.

5. Ny famonjena

  • Ny fahafatesana teo amin’ny Hazofijaliana :

Nambara fa ny Mesia dia hidina ety an-tany sy hijaly ary ho faty araka ny fotoana voatondro (Gal.4 :4 ; Rom.5 :6). Fikasan’Andriamanitra (plan de Dieu) ny hahatanterahan’ny famonjena araka ny fomba nosaininy sy ny fotoana notendreny.

  • Ny fitsanganana amin’ny maty :

Raha maty teo amin’ny Hazofijaliana Jesosy dia toa nandresy i Satana, ary tsy azo tohaina ny fahafatesana ; ary dia fongana tanteraka ny fikasan’Andriamanitra hamonjy ny olombelona mpanota amin’ny alalan’ny Zanany.

Nambara anefa fa « tsy ho foin’Andriamanitra ho any amin’ny fiaina-tsi-hita » Izy (Sal.16 :8-11 ; jereo Asa :2 :25 ss ; 13 :35), koa dia hatsangany.

Rehefa nangataka famantarana momba Azy ny Jiosy, dia nambaran’i Jesoa fa ny fijanonan’i Jona 3 andro tao an-kibon’ny trondrobe no famantarana ny amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin’ny maty (Jona 2 :1 ; Mat.12 :39-40 ; 16 :4)

  • Ny fiakarany tany an-danitra :

Efa nambaran’ny Tompo mialoha ny hanjo Azy : holavina, hijaly, ho faty, hitsangana amin’ny maty ary hiakatra ho any an-danitra (Jao.13 :3 ; 14 :28 ; 17 :4)

Ny Salamo 68 :18 dia milaza ny fandresen’Andriamanitra ny fahavalo (entina manondro an’i Satana) (vakio Heb.2 :14-15 ; Ef.4 :8). Fantany fa tsy maintsy hiverina any amin’ny Rainy Izy (Jao.16 :28) ary hipetraka eo an-tanany ankavanana ka homena ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany (Sal.110 :1 ; Mat.28 :18 ; Jao.14 :2) ary dia io teny ao amin’ny Salamo io no nentiny nanaporofo tamin’ny Fariseo fa Izy no Kristy, Zanak’i Davida sy Tompo (Mat.22 :41-45 ; Asa 2 :34-35 ; Heb.1 :13)

Ninoany fa Andriamanitra no hametraka Azy eo an-tanana ankavanany (Mat.26 :64 ; Mar.14 :62 ; Lio.22 :69) ary ny Apostoly dia nahalala fa eo amin’izany toerana izany Izy (Asa7 :55-56 ; Rom.8 :34 ; 1Kor.15 :25 ; Ef.1 :20 ; Kol.3 :1 ; Heb.1 :3 ; 8 :1 ; 10 :12 ; 13 :2 ; 1Pet.3 :22)

  • Ny fanomezana ny Fanahy Masina :

Joela Mpaminany dia efa nampitenenin’ny Tompo ny amin’ny handatsahany ny Fanahiny amin’ny mino (Joe.3 :1-2). Nampanantena izany koa ny Tompo (Jao.14 :16,17,26 ; 16 :7-13) ary notanterahin’Andriamanitra nanomboka tamin’ny Pentekosta izany (Asa2 :1-4 ; jereo Is.32 :15)

Ny Fanahy Masina dia fomba fanatrehan’i Kristy ny mino sy ny Fiangonana mandra-piveriny indray. Amin’ny alalany no iasan’ny Tompo sy hanehoany ny herin’ny teniny.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

bookmark
required required
web