
Kate 7- Ny Baiboly
Inona no atao hoe Baiboly
Ny teny hoe Baiboly dia avy amin’ny teny grika hoe »biblia » izay midika ho boky kely maromaro. Avy amin’io koa no nakana ny teny hoe « Bibliothèque » (tranomboky).
Taonjato faha dimy taorian’i Kristy vao nilazana ny TT sy ny TV ho Baiboly.
Misy boky 66 ao anatiny: 39 TT ary 27 TV
Lalana lavitra vao nahazo izao endrika ananantsika azy izao. Raha fintinina dia olombelona no nanoratra ny Baiboly, fa Andriamanitra kosa no nampiteny sy nampanoratra ireny mpanompo maro ireny tamin’ny fotoana samy hafa. Ny Baiboly izany dia fiaraha-miasan’Andriamanitra sy ny olombelona. Na izany aza dia nisy mpaminany sandoka izay nanoratra zavatra tsy tamin’Andriamanitra fa araka izay noheveriny fotsiny. (Jer23.21;27.15;29.9;14.14). Be izany ireo boky sandoka sy soratra nihamboana ho avy tamin’ Andriamanitra.
Noho izany dia nila fitandremana fatratra ny fampidirana boky iray ho isan’ny boky ao amin’ny Baiboly. Taonjato maro vao vita izany.
« Kanona » (canon) no anaran’ny fitambaran’ireo boky nekena ho Soratra Masina ireo.
Marina sy azo antoka ka natao fitsipiky ny fiainana (règle de vie) sy ny finoana (règle de foi) ny Kanona. Nisy fahamalinana fatratra izany vao nandray boky iray ho « kanona ».
Famintinana ny Baiboly na Baiboly kely no iantsoana ny andininy ao amin’ny Jaona 3:16
Ny Baiboly Hebreo:
Teny hebreo no nanoratana ny boky voalohany
- ·tamin’ny taona 370 talohan’i Kristy (tokony ho tamin’ny andron’i Ezra sy Nehemia) : nekena ho Soratra Masina ny Boky 5 voalohany ao amin’ny Baibolintsika. Ireo no boky voalohany novakian’ny Jiosy.
- ·tamin’ny taona 250 talohan’i Kristy: noraisina ny bokin’i Josoa, Mpitsara, Samoela I syII ary MpanjakaI sy II.
- ·tamin’ny taona 200 ka hatramin’ny 100 talohan’i Kristy: noraisina ny boky sisa rehetra ao amin’ny TT ny Baiboly protestanta ankehitriny.
Hatramin’izay ka hatramin’izao dia ireo no boky ao amin’ny Baiboly Hebreo, izay tanan’ny Jiosy ho Soratra Masina. Ny tsy hitovizany amin’ny antsika dia ny isany. Ny azy 24 monja satria misy boky vitsivitsy natambany: Samoela I syII, Mpanjaka I sy II, Tantara I sy II, Ezra sy Nehemia, ary ny bokin’ny mpaminany 12 farany.
Ny Septanty: LXX
Ireo Jiosy tany Alexandria tany Egypta dia nandika ny Baiboly Hebreo ho teny grika, satria io no teny nampiasain’ny rehetra tamin’izany. Voalaza fa 70 ry zareo no nikaon-doha tamin’izany ka izany no nanomezana anaran’ny asa vitany hoe « Septanty »(Septante) fantatra amin’ny marika LXX.
Tsy afapo tamin’ny Baiboly hebreo anefa ry zareo fa nanampy boky hafa dia ireto avy: Makabeo I sy II (Maccabées), Esdrasy I sy II, Fanampin’i Estera(Esther grec), Tantaran’i Sosana, Hiran’ny zaza telo Bela sy ny Dragona(Daniel grec), Tobia(Tobit), Jodita(Judith), Baroka(Baruch), Fivavahan’i Manase, Fahendren’i Jesoa zanak’i Siraka na Ekleziastika(Ecclésiastique ou Siracide), Fahendren’i Solomona(La Sagesse). Ireo boky ireo no atao hoe: « boky Apokryfa » (Apocryphes) na deuterokanonika (deutérocanoniques), izay sady tsy Soratra Masina Jiosy no tsy isan’ny boky ao amin’ny Baiboly protestanta. Misy fito amin’ireo kosa no tafiditra ao amin’ny Baiboly katolika.
Ny LXX izany dia fitambaran’ny Baiboly hebreo sy ny Apokryfa, ka amin’ny teny grika.
Tsara ho marihina fa ny Apokryfa dia nampiasaina nandritry ny taona maro tamin’ny Fiangonana izay nandray azy ho boky tokony ho vakiana nefa dia tsy nekena ho kanona mihitsy. Tamin’ny 1546 taorian’i Kristy, nanaovana ny konsily tao Trenta, dia noraisin’ny Katolika romana ho kanona ny Apokryfa.
Ny Volgata:
Tany amin’ny taona 404 taorian’i Kristy, efa nanomboka natanjaka rahateo ny Romana, ny Teologiana iray atao hoe Jerôme, araky ny fangatahan’ny Pape Damase, dia nanitsy ity dikanteny ity tao Betlehema, ka nanao Baiboly latina vaovao atao hoe « Volgata »(Vulgate), izay sady nisy ny LXX no nisy ny TV. Io no atao hoe « Baiboly latina tranainy » izay nampitondrainy ny anarana hoe: »Vulgata Editio », ka nihavian’ny Baibolin’ny Katolika romana.
Ny atao hoe Volgata izany dia ny fitambaran’ny LXX sy ny TV, ka amin’ny teny latina.
Ny Testamenta vaovao kosa dia tsy nisy olana loatra raha ny nandraisana azy ho tao amin’ny kanona:
- ·ny taona 170 taorian’i Kristy: ny Filazantsara 4, Epistily 13 nosoratan’i Paoly, ny Hebreo, Petera I, Jakoba, Jaona I
- ·ny taona 303 taorian’i Kristy: Petera II, Joda, Apokalipsy
- ·ny taona 397 taorian’i Kristy: ny Konsily tany Kartago no nandray ny TV manontolo, mitovy amin’izay ananantsika ankehitriny, ho Kanona.
Fehiny: Baiboly jiosy: TT ihany ary amin’ny teny hebreo
Baiboly protestanta: Baiboly hebreo + TV
Baiboly katolika romana: Baiboly hebreo + TV + Apokryfa ( 7 )
NY DRAFITRY NY BAIBOLY
Ny teny hoe « testamenta » dia nalaina tamin’ny teny latina « testamentum », ary ny teny grika « diatheke », izay samy midika ho « didim-pananana ». Ny LXX kosa dia nandika ny diatheke avy amin’ny teny hebreo hoe « berith » adika koa hoe: FANEKENA (fanekena nataon’Andriamanitra amintsika olombelona).
Ny Baiboly izany dia mizara ho fanekena roa: FANEKENA TALOHA na Testamenta Taloha izay misy boky 39 ( na 46 ao amin’ny Baiboly katolika) sy FANEKENA VAOVAO na Testamenta Vaovao izay misy boky 27.
Ny Fanekena Taloha
Ny Jiosy dia mizara ny Fanekena Taloha na ny Baiboly hebreo ho telo: ny LALANA, ny MPAMINANY ary ny SORATRA (jereo: Mat 11.13 ;22.40 ;Lio 16.16; Jao 1. 45)
Ny mpandinika sasany kosa toa an-dry Louis Segond, teolojiana tamin’ny taonjato faha 19, dia nanasokajy azy ho azo zaraina efatra, izay nankasitrahan’ny maro tokoa, ka arahintsika ankehitriny:
Ny bokin’ny Lalàna na Pentatioka (5)
Ny Tantara: Josoa ka hatramin’i Estera (12)
Ny Tononkira: Joba ka hatramin’ny Tononkiran’i Solomona (5)
Ny Mpaminany:Isaia ka hatramin’i Malakia (5+12)
A / Bokin’ny Lalàna na Pentatioka: Ireo boky 5 voalohany na « Torah »(hebreo)
Ary voalaza fa saika i Mosesy no nanoratra azy.
Genesisy:
Mitantara ny fiandohana samihafa:
- ·fiandohan’izao tontolo izao (1. 1-25)
- ·fiandohan’ny olombelona (1.26 sns)
- ·fiandohan’ny ota (3.1-24)
- ·fiandohan’ny firenena Israely (12)
Eksodosy:
Bokin’ny fahafahana. Mitantara ny nanafahan’Andriamanitra tany Egypta ny zanak’Israely sy ny nanomezany azy ny Lalàny tao Sinay ho marika fa firenena nofidiny manokana izy.
- Levitikosy:
Ahitana ny fombam-pivavahana teo amin’ny zanak’Israely. Ny fanompoana an’i Jehovah mantsy no loha-laharana teo amin’ity firenena ity.
- Nomery:
Mitantara ny fivezivezen’ny zanak’Israely tany an’efitra nandritry ny 40 taona sy ny nanisana azy.
- Deotoronomia:
Lalàna faharoa no heviny satria naverin’i Mosesy fanindroany ny lalàna sy ny didy izay efa nolazainy tany an’efitra. Ao koa no hahitana ny teny farany nataon’i Mosesy talohan’ny nahafatesany.
B/ B/Boky Tantara: Misy boky 12
Mitantara ny fiaimpiainan’ny Zanak’Israely nanomboka teo amin’ny fidirany tao Kanàna ka hatramin’ny fiverenany avy tany amin’ny tany fahababoana tany Babylona. Tokony ho 1000 taona no nisehoan’izany tantara izany.
- Josoa:
Mitantara ny nidiran’ny Zanak’Israely tao Kanana.
- Mpitsara:
Milaza ireo olona nitondra ny Zanak’Israely rehefa nonina tanteraka tao Kanana izy. Nantsoina hoe Mpitsara izy ireny.
- Rota:
Vehivavy Moabita iray nanambady Israelita atao hoe Boaza, ka tonga isan’ny razan’i Jesoa. Jentilisa i Rota araka ny fihaviany kanefa nandao ny fanopoan-tsampiny sy ny tanindrazany, ka voaray ho proselyta ka tonga isan’ny vahoaka israelita. Tandindon’ny handraisana ny jentilisa ho isan’ny fiangonana aty aoriana izany. Hita amin’ity boky ity ny hatsaran’ny fifandeferana sy ny finoan’i Rota sy Naomy ary ny nitondran’Andriamanitra azy tao anatin’ny fahoriana.
- Samoela I sy II :
Tantaran’i Samoela sy Saoly ary Davida. Ireto roa farany no mpanjaka voalohany teo amin’ny zanak’Israely.
- Mpanjaka I sy II:
Mitantara an’i Solomona mpanjaka sy ireo nandimby azy mandram-paharavan’ny fanjakana roa dia Israely tamin’ny tapany avaratra (Samaria no renivohiny), sy i Joda tamin’ny tapany atsimo (Jerosalema no renivohiny).
- Tantara I sy II :
Mamerina sy mameno izay voalazan’ny bokin’i Samoela sy Mpanjaka.
- Ezra sy Nehemia:
Mitantara ny fiverenan’ny zanak’Israely tany Palestina taorian’ny fahababoana tany Babylona. I Syrus, mpanjakan’i Persa no nanafaka azy tamin’izany. I Ezra dia mpanora-dalàna, mpisorona, fa Nehemia kosa dia governora. Tamin’ny alalan’izy roa ireo no namerenana indray an’i Jerosalema, indrindra fa ny Tempoly.
- Estera:
Mitantara ny herim-pon-jazavavy jiosy iray atao hoe Estera, izay nahasakana ny fandringanana ny fireneny. Tsy voasoratra ato amin’ity boky ity ny anaran’Andriamanitra, nefa miharihary ao ny fitondrany izao tontolo izao indrindra ny fiarovany ny firenena matoky azy.
D/ Boky Tononkira: Misy boky 5
Ny atao hoe Boky Tononkira dia ireo boky mirakitra hira sy vavaka fanaon’ny Zanak’Israely tao amin’nyTempolin’i Jerosalema, tany amin’ny Synagoga, tany an-tokantrano na teny amin’ny lanonam-pianakaviana toy ny fanambadiana sns..
Mahatalanjona ny fahaizan’ny mpanoratra sy ny endrika hamohahany ny hafatra.
Misy hevitra mifanohitra izay nalahatra mba hifandanja sy hifamaly toy izay hita ao amin’ny Oha 10.1. Ny zanaka hendry mifandanja amin’ny zanaka adala. Ary ny mahafaly ny rainy mifamaly amin’ny mampalaelo ny reniny.
Indraindray misy famerenana fa ny tarehin-teny enti-milaza no ovana. Hita matetika ao amin’ny Salamo izany. Ohatra: Sal 2.4 Izay mipetraka any an-danitra sahala amin’ny hoe ny Tompo. Ary ny mihomehy sy ny maneso iray ihany.
Indraindray hevitra mitovitovy maromaro no alahatra an-dalana. Ohatra: Oha 1. 27 na Sal 103. 3-5
Ireto avy ireo tononkira ireo:
- Joba:
Tantaran-dehilahy iray nanam-pitiavana an’Andriamanitra ka tsy nivadika taminy na dia mafy aza ny fizahan-toetra nampiharin’i Satana taminy.
- Salamo:
Boky mirakitra tononkira sy vavaka fanaon’ny Zanak’Israely tao amin’ny Tempoly na Synagoga na tany an-tokantrano. Maro taminy no nosoratan’i Davida hany ka nomena ny anarany ny boky. Ampiasaina matetika amin’ny fanompoam-pivavahana ankehitriny koa izy ity.
- Ohabolana:
Boky mampianatra fahendrena sy etika ho enti-miaina isan’andro. (jereo: 1:2-4). Voalaza fa nosoratan’i Solomona.
- Mpitoriteny:
Mampiseho ny fiainantsika eto an-tany ho zava-poana raha tsy miaraka amin’ Andriamanitra isika.
- Tononkiran’i Solomona:
Hira fanaon’ny Zanak’Israely tamin’ny fanambadiana, fankalazana ny fitiavana na fifankatiavan’ny mpifamofo.
Entina mampiseho indrindra fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana. Sarin’ny fitiavan’Andriamanitra ny Jiosy, ny fitiavan’ilay mpiandry ondry ilay zazavavy iray atao hoe Solemita. Tandindon’ny fitiavan’i Kristy ny Fiangonany koa izany.
E/Bokin’ny Mpaminany: Misy boky 5 sy 12
Ny teny hoe mpaminany avy amin’ny teny hebreo dia midika hoe miboiboika tahaka ny loharano avy ao anaty tany. Ny mpaminany dia olona nantsoin’Andriamanitra mivantana ao amin’ny fiaraha-monina hilaza ny sitrapony amin’ny olona rehetra. Izy no nifandray akaiky indrindra tamin’Andriamanitra sy nifaningotr’aina lalina taminy. Izany no niantsoana azy koa hoe lehilahin’Andriamanitra. Olona natsangany hisolovava sy ho hirany eo anatrehan’ny firenena koa izy. Raha hiteny izy ireny dia tsy maintsy miteny hoe: Izao no lazain’i Jehovah..
Ny hafatry ny mpaminany rehetra dia saika miorina amin’ny foto-kevitra roa lehibe dia:
- ·ny fahamasinan’Andriamanitra velona izay manameloka ny ditran’ny fon’ny olona. Omeny famelan-keloka anefa izay mibebaka.
- ·antso momba ny fitandremana ny didy folo, izay voafehy amin’ny hoe aza manana Andriamani-kafa fa Izaho ihany.
Tanteraka daholo anefa ireny faminaniana ireny hany ka maro no tsy nahazaka toy ny mpanjaka na mpiara-monina izay nanenjika azy ireny fatratra, noho izany maro ny maritiora.
Nisy koa anefa mpaminany sandoka dia ireo izay misolelaka amin’ny mpanjaka, ka tsy sahy milaza loza mihintsy, na ireo izay mitarika olona hanaraka Andriamani-kafa na ny tenany mihintsy aza.
Mizara sokajy roa ny mpaminany:
1)Mpaminany lehibe 4: ( noho ny boky lava nosoratany ) fa misy boky 5
Isaia, Jeremia, Ezekiela, Daniela
Fitomaniana: Ninia natao manaraka an’i Jeremia ity boky ity na dia boky tonon-kira aza, satria izy no nanoratra azy, ary miresaka indrindra momba ny faharavan’i Jerosalema izy ity.
2)Mpaminany madinika 12: ( noho ny boky fohy nosoratany)
Hosea, Joela, Amosa, Obadia, Jona, Mika, Nahoma, Habakoaka, Zefania, Hagay, Zakaria, Malakia.
Ny Fanekena Vaovao
Zanatany romana i Palestina tamin’ny Fanekena Vaovao.
Aogosto no Emperora, ary Pontio Pilato no Governora tao Joda sy Samaria fony fahavelon’i Jesoa. Nilamina ihany ny rivotra politika. Tsy zakan’ny Jiosy mihintsy anefa ny fitondrana Romana na dia nomena sata manokana aza izy teo amin’ny Tempoly. Nanana ny volany sy ny teniny manokana nampiasaina tao izy. Izay no anton’ny niforonan’ny antoko mpanohitra ny Emperora atao hoe: Zelota. Ny fahaleovatenan’ny firenena jiosy no nimatimatesany. Na izany aza dia nilamina ihany ny fiainam-pirenena sady nandroso ny toe-karena.
Teny roa no nampiasain’ny Jiosy tamin’izany dia ny Arameniana sy ny Grika.
Ny arameniana dia nampiasaina tao amin’ny Tempoly sy ny Synagoga teo amin’ny Jiosy.
Ny grika kosa dia teny andavan’andro teo amin’ny empira romana ka nifandraisan’ny olona. Izay no nahatonga ny FV voasoratra tamin’ny teny grika.
Ny Jiosy dia nino fa nofidin’Andriamanitra manokana izy ary tsy azo esorina aminy izany fifidianana izany (élection irrévocable).
Azo zaraina 4 koa ny Fanekena Vaovao:
Ny Filazantsara efatra
Ny Asan’ny Apostoly
Ny Epistily : nosoratan’i Paoly 13, Hebreo ary katolika 7
Ny Apokalypsy
A/ ANy Filazantsara : Matio, Marka, Lioka, Jaona
Ny atao hoe Filazantsara na Evanjely (amin’ny Baiboly katolika) na koa Ny Vaovao Mahafaly, dia izy efatra ireo. Ny boky telo voalohany anefa no saika mitovy ny fomba famoahany ny tantara (Synoptika). Amin’ny ankapobeny ny filazantsara dia mitantara ny ampahany ihany amin’ny fiainan’i Jesoa teto an-tany: ny iraka nampanaovin’ Andriamanitra azy, ny fampianarany, ny toriteniny, ny fahagagana vitany, ny fanasitranana isan-karazany nataony, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin ny maty, ary ny niakarany any an-danitra. Niantso olona manokana anefa Izy hiara-dia taminy tamin’izany dia ny Mpianatra 12 lahy, izay nomeny fahefana feno hanohy ny asany, izay tohizan’ny fiangonana ankehitriny.
Ny boky voalohany, Ny Vaovao Mahafaly araka an’i Matio, dia nosoratan’i Matio ihany izay mpamory hetra, lasa anisan’ny apostoly 12 izy. Tokony ho tamin’ny taona 80-90 tany ho any no nanoratany azy tany Syrie. Anisan’ny mampiavaka ny bokin’i Matio dia ny fampisehoany ny maha-zava-dehibe ny fampianarana nataon’i Jesoa ka nanambatambarany izany ho lasa fotom-pampianarana (doctrine).
Ny boky faharoa, Ny Vaovao Mahafaly araka an’i Marka, izay voasoratra voalohany, no fohy indrindra, ary teo anelanelan’ny taona 64 sy 70 ( faharavan’ny Tempoly) no nanoratan’i Marka azy tany Roma. Mety ho tamin’io no nihaingan’i Matio sy i Lioka tamin’ny bokiny. I Marka dia mpianatr’i Petera sy mpandika teniny, ary niara-dia tamin’i Paoly izy sy i Petera tamin’ny diany voalohany.
Ny boky fahatelo, Ny Vaovao mahafaly araka an’i Lioka, dia nosoratan’i Lioka, mpitsabo grika, ary mpanara-dia an’i Paoly. Teo anelanelan’ny taona 70 sy 80 no nanoratany azy. Amin’ny tsy maha-jiosy ny tenany (izy irery no mpanoratra ao amin’ny Fanekena Vaovao tsy Jiosy), dia nihezaka izy ny hamaofy tsara ny zavatra azavainy satria tsy mahalala firy ny fomba amam-panao jiosy no hamaky ny Vaovao Mahafaly arosony. Io bokin’i Lioka io no sahaza indrindra izao vanin’andro iainantsika izao. Hazavainy indrindra ny maha-Mpamonjy ny olombelona rehetra an’i Jesoa.
Ny Vaovao Mahafaly araka an’i Jaona no miavaka indrindra. I Jaona, niaraka amin’i Petera sy i Jakoba ( rahalahany), no mpianatra akaiky an’i Jesoa indrindra. Izy no anisan’ny nantsoin’i Jesoa voaloany niaraka tamin’i Andrea, ary voalaza fa namany akaiky indrindra. Noho izany azo lazaina ho nahita ny tsiambaratelony sy niaina akaiky taminy. Mpanarato no asany. Mbola izy ihany no nanoratra ny Epistilin’i Jaona telo sy ny Apokalypsy. Ankoatry ny fijalian’i Jesoa, dia vitsy ny iombonany amin’ireo Vaovao Mahafaly hafa.
B/ Ny Asan’ny Apostoly:
Mbola i Lioka ihany no nanoratra ity boky ity (tohin’ny bokin’i Lioka izany ity). Tokony ho tany amin’ny taona 80 tany ho any no nanoratany azy. Izy dia dokotera sady mpiara-miasa tamin’i Paoly ary mpiara-dia taminy (tamin’ny diany faharoa sy fahatelo ary ilay nitondrana azy nankany Roma). Raha ny marina dia saiky asan’i Paoly sy i Petera mampiely ny filazantsara tamin’ny fiangonana voalohany hatreo Jerosalema ka hatrany Roma, noho ny asan’ny Fanahy Masina, no tantarain’i Lioka eto, fa tsy asan’ny Apostoly rehetra akory.
D/ Epistily : Misy boky 21
Ny atao hoe Epistily dia Taratasy na Taratasim-pitiavana. Taratasy nosoratan’ny Apostoly ho an’ny Fiangonana:
ho fitaizam-panahy sy fampiorenana ny finoana an’i Jesoa Kristy
ho fampianarana ny tena foto-pinoana arahan’ny Fiangonana (Dogme et Doctrine de l’eglise) , hialana amin’ny fampianaran-diso
ho fitsipiky ny fiainana andavan’andro (etika). Misy fampaherezana, famporisihana, fampiononana, fampitandremana ireny Epistily ireny.
- :
Fa iza moa i Paoly? I Paoly dia Jiosy teraka tany Tarse, avy tamin’ny taranak’i Benjamina (zanak’i Rahely vadin’i Jakoba), fariseo izy, izany hoe olona fatram-pandalina sy mpankatoa ny lalàn’i Mosesy, noho izany dia nanenjika Kristiana fatratra izy, ary mpanao « tentes » no asany. Saoly (dikan’ny Paoly amin’ny teny latina) no anarana ahitana azy any amin’ny fihandohan’ny Asan’ny Apostoly 9.4.., fa tsy niova anarana akory izy. Izy no voalaza fa Apostolin’ny Jentilisa (Rom 11.13 ; Asa 9.15 ;22.21 ;Rom 1.5 ;Gal 1.15; 2.8 ; Efe 3.8 ; ITim 2.7). Noho izany dia nanao asa misionera telo lehibe izy, ka saika iny faritra Turquie, Grèce, Chypre, Liban (raha ny anarana amin’izao fotoana no raisina), ka ny manamorona ny ranomasina Méditerranée, sy Egée no noteteziny tamin’izany. Nosamborina tao Jerosalema izy dia nogadraina roa taona tao Sezarea, efa nigadra iray alina tao Filipy koa izy, ary farany dia nafindra tany Roma, dia novonoina tany. Izy no nanoratra Epistily be indrindra, 13, ka saika nosoratany ho an’ny Kristianina tamin’ny toerana iray efa nolalovany izany, na ho an’olona iray. Arakaraky ny hevitra na ny halavany no nandaharana azy ao amin’ny baiboly ( Romana no mafonja indrindra dia natao voalohany ary Filemona no fohy indrindra dia lasa farany).
Fa raha jerena araka ny fotoana nanoratany azy, dia ireto avy izany:
a)taona 51 : – Taratasy ho an’ny Kristianina tao Tesalonika: Tesaloniana I sy II
Lazainy ao ny foto-kevitra lehiben’ny Toritenin’ny Fiangonana. Tao anatin’ny rivotry ny fiandrasana ny fiverenan’ny Tompo haingana izy tamin’izany.
b)taona 56-58 : – Taratasy ho an’ny Kristianina tao Galatia na Galatiana
- ·-Taratasy ho an’ny Kristianina tao Korinto : Korintiana I sy II (nisy 4 no nosoratany ho an’ireo, fa ny roa tsy voatazona, izany hoe tokony nisy Korintiana III sy IV)
- ·-Taratasy ho an’ny Kristianina tao Roma: Romana
Ireo Epistily efatra ireo dia antsoina koa hoe Epistily Lehibe.
Fanontaniana napetrak’i Paoly: Inona no atao mba ho marina sy ho voavonjy? Tsy misy hafa tsy ny finoana an’i Jesoa Kristy irery ihany. Mamelabelatra ny toerana raisin’i Jesoa eo amin’ny Fiangonana izy.
d)taona 61-63 : – Taratasy ho an’ny Kristianina tany Efeso: Efesiana
- ·-Taratasy ho an’ny Kristianina tany Kolosy: Kolosiana
-Taratasy ho an’i Filemona: Filemona (olona manan-kaja teo amin’ny fiaraha-monina izy, ary Kristiana tao Kolosy ihany koa. Io no taratasy fohy indrindra nosoratan’i Paoly)
- ·-Taratasy ho an’ny Kristianina tao Filipy na Filipiana
Ireo taratasy ireo dia voasoratra tany am-ponja tany Roma avokoa. Ny toerana misy an’i Kristy eo amin’ny tantara sy izao tontolo izao no hazavainy ao.
E)alohan’ny 67 : -Taratasy ho an’i Timoty:Timoty I sy II (Jiosy niova ho Kristiana i Timoty, ary lasa mpiara-dia tsy nahasaraka an’i Paoly, hany ka nahazo asa mavesatra kokoa noho izy efa tena natoky azy)
-Taratasy ho an’i Titosy na Titosy (izy kosa dia tsy mba Jiosy fihaviana, nanana andraikitra lehibe tamin’ny fampihavanana ny Korintiana tamin’i Paoly izy ary tany Crête no nasain’i Paoly nanao fandaminam-piangonana)
Epistily Pastoraly no hilazana ireo taratasy telo ireo, satria miresaka momba ny fitondram-piangonana. Efa mitombo ny mino ka mba hisian’ny filaminana dia tsy maintsy hatsangana ny rafim-pitondrana hitantana azy, sady hanamafisana orina ny fiangonana koa.
Raha bangoina ny taratasin’i Paoly dia saiky toy izao avokoa ny firafiny:
- ·Fiarahabana apostolika
- ·Vavaka na fisaorana an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy
- ·Votoatin’ny taratasy: matetika mizara roa
°fampianaram-pinoana (Rom 1.18-)
°fangatahana ny olona hahay hampihatra ny fampianarana eo amin’ny fiainana (moraly na etika kristiana) (Rom 12-15)
- ·Fanaovam-beloma: fanomezam-baovao momba ireo mpiara-miasa aminy sy tso-drano(Rom 15)
Tsy mba natao ho an’ny fiangonana tokana kosa izy ireto, fa ho an’ny fiangonana eran-tany. Misy 7 ny isany ka raha halahatra araka ny taona nivoahany, dia ireto avy:
- taona 60-80: -Taratasy avy amin’i Jakoba na Jakoba : I Jakoba mpanoratra eto dia tsy ilay Apostoly akory fa ilay Jakoba rahalahin’i Jesoa. Ny votoatin’ny lazainy dia maty ny finoana tsy misy asa.
- taona 64 : -Taratasy voalohany avy amin’i Petera na Petera I: Petera Apostoly no manoratra eto. Tsy zoviana amintsika intsony izy fa ilay mpanarato sady rahalahin’i Andrea apostoly. Ny mino vita batisa dia tokony hitondra tena tsara eo anolohan’ny jentilisa.
- 80-90 : -Taratasy avy amin’i Joda na Joda: Mbola rahalahan’i Jesoa iray koa i Joda mpanoratra eto fa tsy ilay apostoly akory. Fampitandremana eo anolohan’ny fampianaran-diso.
- taon-jato faharoa :-Taratasy faharoa avy amin’i Petera na Petera II: Miantso ny kristianina hitana tsara ny finoany sy mahatoky eo anolohan’ny fampianaran-diso i Petera. Mila mahalala tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy.
- Faran’ny taon-jato voalohany:-Taratasy telo avy amin’i Jaona na Jaona I,II ary III Miady amin’ny fampianaran-diso, asa ho amin’ny fifankatiavana.
Tsy taratasy loatra izy ity, fa toriteny na fanazavan-kevitra (discours) omena ny fiangonana rehetra. Mety ho i Paoly na iray amin’ny mpianany no nandefa azy ho an’ireo kristianina mila handao ny finoany an’i Jesoa Kristy. Tamin’ny taona 70 no nanoratana azy. Hazavaina ao amin’ity taratasy ity fa Kristy no tena mpisorona feno noho izy nandatsaka ny rany.
Tsara ho fantatra manokana ireto andininy vitsivitsy ireto :
Heb 5. 1-10 : manazava ny maha-olombelona feno an’i Jesoa zanaka izay niharitra ny mafy teo amin’ny hazo fijaliana
Heb 7. 20-28 : Jesoa Kristy irery no tena mpisorona tanteraka
Heb 9. 10 : mamelabelatra ny amin’ny fanekena vaovao ao amin’i Kristy
Heb 11 : ny finoana
e/ Apokalypsy:
Tany amin’ny taona 90-100 tany no nanoratan’i Jaona Apostoly azy ity. Fanambarana no dikan’ny teny hoe Apokalypsy, bokin’ny afo sy rà. Ny bokin’i Daniela no soratra mitovy aminy ao amin’ny Baiboly. Soratra apokalyptika no ilazana azy. Fomba fampitana hevitra teo amin’ny Jiosy sy ny firenena hafa ny soratra toy itony. Tsy afa-niala tamin’izany koa ny mpanoratra kristianina dia Jaona Apostoly. Nenjehina mafy ny Kristianina noho izy tsy nety nankato hafa tsy i Jesoa Kristy. Nandà ny hanao ireo Emperora romana ho Kristy izy ireo. Nandritry izany vanim-potoana be hotakotaka sy fitsapana izany no nanoratana ity ho famporisihana sy fampaherezana ary ho fanomezan-toky ny mino.
NY FOMBA FAMAKIANA BAIBOLY
Fitarihana :
Tsy azo atao ny mamaky Baiboly tsindratsindranina fotsiny. Tadidiko eto ilay ohatra iray nentin’ny mpitandrina iray tany Madagasikara : Tia mamaky Baiboly isa-maraina ity olona iray. Ary mivavaka tsara izy alohan’ny hamakiany andalana iray ao amin’ny FT sy FV mba ataony hery ho entina miady amin’ny fiainana isan’andro. Indray andro ny FT dia ny Gen 4. 8, tsy nahataitra azy loatra. Fa nony tonga tao amin’ny FV handraisana fananarana na ho fitaomana na ho fibebahana, dia ny Lio 10. 37 no voatondron’ny fanondrony. Raha olona miady na manana lolom-po aman’olona izy dia zava-doza no mety hitranga. Izany no mila hitandremana,fa raha tsy izany dia mora hanjakan’ny devoly isika, ka mila mailo mandrakariva, na dia eo amin’ny famakiana teny fotsiny aza.
Tsy ny boky iray, na andininy iray monja, fa ny Baiboly iray manontolo no itenenan’Andriamanitra amintsika olombelona :
– Ny Fanekena Taloha no nitenenany tamin’ilay Firenena nalainy ho santiona, hanehoany ny tiany hatao amin’ny firenena rehetra.
– Ireo Filazantsara efatra no nitenenan’i Jesoa Kristy, ilay Teny tonga nofo, hahalalantsika ny hevitry ny Tompo tamin’ilay Fanekena Taloha.
– Ary ireo Epistily no nanazavan’ireo Apostoly, ireo Soratra Masina ireo tamin’ny Fiangonana.
Mifamatotra tsara izany ireo fizarana telo ao amin’ny Baiboly ireo.
Fanazavana :
Rehefa mamaky Baiboly izany dia fara-faharatsiny toko na paragrafy na manaraka lohahevitra no atao fetra famaky, hahamora ny fahazahoana azy sy hampitombo ny fahalalana.
Aiza no hanomboana azy, ary boky inona no tsy maintsy vakiana ?
Ao amin’ny Fanekena Taloha dia :
Tsy maintsy voavaky aloha ireo boky 5 na bokin’ny lalàna, nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy : Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery ary Deotoronomia.
Avahana ho vakiana manokana ny bokin’i Josoa izay mitantara ny nidiran’ny Zanak’Israely tao Kanana, ilay tany nampanantenaina.
Saika mifamerin-teny kosa ireo boky soratra manaraka :SamoelaIÛSamoelaII, MpanjakaIÛMpanjakaII, TantaraI Û TantaraII.
Mifanazava kosa ny bokin’i Ezra (mpisorona) sy i Nehemia (laïka).
Fa ireo Mpaminany (4 lehibe sy 12 madinika) kosa no nampianatra na nitsara ny fomba niainan’ny Zanak’ Israely ny lalàn’i Mosesy. Indro ny fitanisana ireo mpaminany niara-nihira :
– Obadia, Malakia, Joela, Zakaria
– Jeremia, Ezekiela, Jona, Hosea
– Isaia, Amosa, Mika, Habakoaka
– Daniela, Zefania, Hagay, Nahoma
Momba ny Fanekena Vaovao kosa :
Ireo Filazantsara telo voalohany : Matio, Marka, Lioka, dia tondroin’ny mpampianatra ho mitovy fijery (Synoptika). Raha vakiana miaraka ireo dia hazava kokoa ny tantaram-piainan’i Jesoa.
Tsy maintsy vakiana anefa ny Filazantsra faha-4, dia ny Filazantsaran’i Jaona mba hanamarinana izay tena niseho sy nolazain’i Jesoa.
Vakiana manokana ny bokin’ny tantaran’ny Asan’ny Apostoly (hahitana ny lalana nizoran’ny Apostoly tamin’ny fitoriana).
Ny amin’ny Epistily dia mifantina loha-hevitra tiana hianarana amin’izay, ka mamaky izay boky mamaly izany safidy izany :
– momba ny fotom-pinoana : Romana
– momba ny fanarahan-dalàna na fankatoavan-dalàna : Galatiana
– momba ny fitondran-tena kristianina : Korintiana I sy II
– momba ny fifaliana : Filipiana
– momba ny fitondranm-piangonana : Timoty I sy II, Titosy (Epistily pastoraly)
– momba ny fifampaherezana : Kolosiana
– momba ny amin’ny farany : Apokalipsy
– momba ny fiharetana : Tesaloniana I sy II
– momba ny finoana : Jaona I , II , III ary Joda
– famintinana ny Fanekena Taloha sy Fanekena Vaovao : Hebreo
Famintinana :
Andriamanitra sy ny Kristianina dia tahaka ny mpifankatia mifanalavitra, ka izay tsy mahafoy no manoratra, manafatrafatra, mampitandrina. Izy Ilay tsy mahafoy antsika ka manafatrafatra antsika amin’ny alalan’ny Baiboly. Miankina amin’ny fitiavantsika no hamakiantsika azy.
Ny tsy fahalalan’ny olona ny Soratra Masina no maha-diso hevitra azy mandrakariva, koa mazotoa mamaky sy mianatra io Sorotra Masina nomen’ny Tompo antsika io mba ho marina ny lalntsika.
Fomba hitadidiavana ny filaran’ny Baiboly : (azo atao hira koa izy ity)
Ho an’ny Fanekena Taloha :
Gen Eks Lev No De
Jos Mpi Ro Sa Sa Mpa Mpa Tan Tan Ez Neh Es
Job Sal Oh Mpi Ton
Isa Jer Fit Ezek Dan
Hos Joe Am Ob Jon Mi Nah Hab Zef Haga Zak Malakia
Ho an’ny Fanekena Vaovao :
Ma Ma Li Ja A
Ro Ko Ko Gal Ef Fi Ko
Te Te Ti Ti Ti
File He Ja Pe Pe Jao Jao Jao
Jod Apo
IREO FANJAKANA NIFANESY TAO PALESTINA
Ampira Egyptiana : Ny Egyptiana no nanjaka sy natanjaka tamin’ny andron’i Abrahama, Isaka, Jakoba, Mosesy, ny nidiran’ny Zanak’Israely tany Palestina.
Taom-bolamena : 100 taona
- · -1020 Saoly : Mpanjaka Israeliana voaloany
- · -1000 Davida : Jerosalema renivohitra israeliana
- · – 960 Solomona : nanorina ny Tempoly voalohany
Nizara roa ny fanjakana : Avaratra (fanjakan’Israely izay nisy foko folo) ary Atsimo (fanjakan’i Joda) : 200 taona
Ampira Asyriana : 150 taona
· – 722 : Ny fanjakana tany avaratra rehetra dia babon’ny Asyriana
Ampira Babyloniana : 50 taona
· -586 : Rava tanteraka i Jerosalema (Mpanjaka Titosy) sy ny Tempoly voalohany
- ·Nobaboina tany Babylona ny Jiosy
Ampira Persa : 200 taona
- ·Naverin’ny mpanjaka Kyrosy tamin’ny taniny ny Jiosy
· – 538 : Naorina indray ny Tempoly (Ezra sy Nehemia)
Ampira Byzantin : (chrétien gréco-oriental) 150 taona
· – 332 : Alexandre Lehibe (grika)
Fanjakana Syriana (seleucide) : 50 taona
Fanjakana Asmoneana (Maccabée) : 50 taona
Ampira Romana : 600 taona
- · -65 : Pompée nanafika an’i Jerosalema
- · – 5 : Nahaterahan’i Jesoa
- · + 70 : Rava i Jerosalema sy ny Tempoly faharoa
Ampira Musulmana : (+640 : fanafihana Arabo) :400 taona
Fanjakana latina : (+1000 croisé) : 300 taona
Fanjakana Egyptiana : 250 taona
Fanjakana turka : 400 taona (Ottomane)
Fanjakana britanika : 1917-1948
Ny Nandikana ny baiboly
Mila fitandremana fatratra ny famakiana ny Baiboly satria dikan-teny ihany no vakiantsika. Ny tena soratra dia tamin’nyteny hebreo, arameana na grika. Na ireo manam-pahaizana aza dia natahotra fatratra sao diso fandika. Misy dikanteny maro izay mifanohitra aza indraindray. Maro ny dikanteny : ny sasany natao hahafinaritra ny fomba fanoratra azy, ny sasany natao ho tsotra be azon’ny be sy ny maro, ny sasany natokana ho amin’ny fandalinana. Ilaina izany ny hahalalana ny fisian’ireny karazany ireny hahazoana mandalina ny tiany ho lazaina. Indraindray manko mila fanazavana ny tena fa tsy ampy ny eo am-pelatanana. Tsy mandeha ho azy koa anefa izany fa mila fanomanana ara-panahy sy ara-tsaina, izay tarihin’ny Fanahy Masina. Maro ny dikanteny ka tsy ary ho voatanisa eto daholo. Ireto misy dingana vitsy ara- tantara tamin’ny fandikana ary mety hanampy amin’ny fandalinana (en gras):
– Septanty : dikanteny voalohany tamin’ny taonjato fahatelo talohan’i Kristy (FT nataon’ny mpandinika jiosy 70 tamin’ny teny grika)
– Volgata : nataon’i Jerôme (345-419) ho an’ny fiangonana
– Bible du 13° (1280) : Nadikan’i Valdo ho an’ny Frantsay tao Lyon ho fitoriana
– Tyndale sy Martin Luther : nandika ho azon’ny rehetra
– La Sainte Bible(natonta farany 1979) tamin’ny dikantenin’i Louis SEGOND (1880) tao Genève.
– Bible des Moines de Maredsous (1950) : nadikan’i Crampon ho an’ny Katolika Frantsay
– Bible de Jérusalem (natonta farany 1973) : nadika ho an’ny Sekoly Biblika tao Jerosalema mba ho fandalinana
– Bible de Pleïade (1956-1971) : natao hahafinaritra teo amin’ny rafitra fatsy ny dikanteny loatra
– Osty(1973) : dikanteny ara-bakiteny
– Votre Bible (1972) : navoakan’i Mediaspaul ho azon’ny rehetra vakiana
– Traduction Œcuménique de la Bible (TOB) (1967-1975) : nataon’ny firaisam-pinoana
– La Bible en Français Courant (1982) : tsy izay voalaza ihany, fa izay tiana hambara indrindra koa
– Bible de Chouraqui (1985) : nadikana Jiosy avy tamin’ny teny Hebreo na Arameana, hany ka sarotra vakiana
Tsy azo adino ny Baiboly amin’ny tenintsika. Raha tsy hitanisa hafa-tsy telo fotsiny dia : ny Baiboly Protestanta, ny Baiboly Katolika ary ny Dikanteny Ionbonana Eto Madagasikara (DIEM).
Tadidio tsara anefa fa ny tena ilaina tsy ny fandikanteny loatra fa ny famakiana. Ny fandikana mantsy dia tsy misy tonga lafatra akory, nefa koa tsy misy manafina ny hafatra tian’ny Tompo hampitaina amintsika na izany aza. Tsy natao hanakana ireny fa natao hanampy antsika hahazoantsika kokoa ny tian’ny Tompo hambara.
Ny apostoly
Ny teny hoe Apostoly dia avy amin’ny teny grika « apostolos » izay midika hoe iraka .
Ny hahalalantsika ny Apostoly dia ireo mpianatr’i Jesoa 12 lahy izay voahantso tamin’ny fotoana samihafa. Toy izao avy izy ireo araka izay voasoratra ao amin’ny : Mat 10. 2-4 ; Mar 3. 16-19 ; Lio 6. 14-16 ; Asa 1. 13
Ny nantsoiny voalohany dia mpanarato efatra :
- Simona Petera, Petera no anarana nomen’ny Tompo azy sy hahalalantsika azy ao amin’ny Baiboly, na koa Kefasy (Jao 1. 42). Izy no nanoratra ny Epistilin’i Petera I sy II, nanambady izy (Mar 1. 29), maty martiora nohomboana tamin’ny andron’i Néron tokony ho taona 64-67 tany Roma izy.
- Andrea, rahalahin’i Petera izy (Mat 4. 18), Betsaida no nihaviany (Jao 1. 44), mponin’i Kapernaomy izy (Mat 1. 29), ary anisan’ny voalohany nanaraka an’i Jesoa (Jao 1. 40)
- Jakoba, zanak’i Zebedio, izy sy i Petera ary i Jaona no nanatrika ny zava-dehibe teo amin’ny fiainan’i Jesoa (Mat 17. 1 sns), maty notapahan’i Heroda Agripa ny lohany tokony ho taona 41-44 (Asa 12. 2).
- Jaona, zandrin’ Jakoba, zanak’i Zebedio, naman’i Jesoa akaiky azy indrindra, nanoratra ny Filazantsaran’i Jaona, ny Epistily telon’i Jaona ary ny Apokalipsy.
Ny efatra voahantso faharoa dia :
- Filipo, avy any Betsaida koa izy.
- Bartolomeo na Natanaela, izy sy Filipo no mpiaraka matetika (Jao 1. 45-50 ; 21. 2 ; Mat 10. 3)
- Matio, nanoratra ny Filazantsaran’i Matio, mpamory hetra izy.
- Tomasy, karazan’ilay manahy vao mino (Jao 11. 18 ; 14. 5 ; 20. 24-28 ; 22. 2)
Ary farany dia :
- Jakoba, zanak’i Alfeo, saika afangaron’ny olona amin’i Jakoba rahalahin’i Jesoa izy izay atao koa hoe Jakoba kely (Mar 15. 40).
- Joda na Jodasy Zelota (ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka) na Tadeo (ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy i Marka) na Lebeo (ao amin’ny Filazantsaran’i Matio), samy anarany daholo ireo, Jakoba no anaran-drainy.
- Simona Kananeana na Simona Zelota ( ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka)
- Jodasy Iskariota (grika : sikarios= tueur à gages). Izy ilay namadika ny Tompo. Ny amin’ny nahafatesany : nananton-tena, nipoaka ny kibony (Mat 27. 5 ; Asa 1. 18-25).
- Matia kosa no nisolo an’i Jodasy Iskariota taorian’ny nahafatesany (Asa 1. 26).
Paoly koa dia nantsoina ho Apostoly (Asa 14. 14 ; Gal 1. 1) ary Apostolin’ny Jentilisa (= hafa firenena) no filaza azy ao amin’ny Rom 11. 13.
Barnabasy, izay antsoina koa hoe Josefa, levita avy any Kyprosy izy (Asa 4. 36), anisan’ny kristianina voalohany, sady mpanaradia an’i Paoly (Asa 11. 22-30 ; 12. 25 ; 13 ; I Kor 9. 6 ; Gal 2. 1-13), dia nantsoina koa ho Apostoly (Asa 14. 14).
Ireto avy ny rahalahin’i Jesoa :
– Jakoba , nanoratra ny Epistilin’i Jakoba, antsoina koa hoe Jakoba kely izy (Mar 15. 40), nanana toerana lehibe izy teo amin’ny fiangonana tao Jerosalema, izy no nitarika ny Jiosy kristianina, maty notoraham-bato tamin’ny taona 62 izy.
– Josefa
– Joda, nanoratra ny Epistilin’i Joda izy
– Simona
Ireto kosa ny anaran’ireo fito lahy nantsoina hanampy ny Apostoly (Asa 6) : Stefana, Filipo, Pokroro, Nikanora, Timona, Parmena, ary Nikolà.
Ny nihavian’ ny zanak’ Israely
Adama
(7 jenerasiona)
Noa
Sema (Semites)
(8 jenerasiona)
Abrahama
+Hagara(mpanompo) +Saraha +Ketora(Gen 25)
Ismaela(Gen 16) Isaka+Rebeka 6 lahy
12 lahy Esao(Edomita) Jakoba (Israely) (Gen 32.29)
+Léa +Zilpa(mpanompo) +Bila(mpanompo) +Rahely
1.Robena 7.Gada 9.Dana 11.Josefa(Gen 37-)
2.Simeona 8.Asera 10.Naftaly -Manasse
3.Levy* -Efraima
4.Joda** 12.Benjamina
5.Isakara
6.Zebolona
*Levy (2 jenerasiona) Mosesy
**Joda ( 9 jenerasiona) Davida Solomona (24 jenerasiona) Josefa Jesoa
Ireo ny Zanak’Israely 12. Ireo izay voatsipika kosa no nizara ny tany raha niditra tao Kanana (Jos 14-19).
Ny taranak’i Davida dia nanjaka tao Jerosalema daholo alohan’ny fahababoana tany Babylona.