
Kate 11- Ny fanomanana ny fahatongavan’ny Mesia
Voalaza teo amin’ny lesona teo aloha (jereo Ny famonjena ao amin’ny Testamenta Taloha) fa nanomana famonjena ho amin’ny ho avy Andriamanitra, ka indroa miantaona ny fanatanterahany io Famonjena io, dia ny fanirahany ny Zananilahitokana ho aty amin’izao tontolo izao sy ny fiverenany indray hitsara izao tontolo izao.
Tsy avy hatrany dia tonga anefa io Zanany io dia Jesoa Kristy fa nomaniny ho amin’izany ny firenen’Isiraely sy izao tontolo izao koa. Niseho tamin’ny fomba roa izany fanomanana izany, dia ny fametrahany ireo mpanompo izay tandindon’i Kristy, ary faharoa tamin’ny nanambaràny tamin’ny alalan’ireo Mpaminany ny fomba hahatongavan’Ilay Mesia sy ny toetrany ary ny fombany.
1. IREO TANDINDON’I KRISTY tao amin’ny Testamenta Taloha
Nisy 6 ireo olona izay azo heverina fa tanindon’i Kristy teo amin’ny asany sy ny toetrany, dia i Mosesy, Arona, Josoa, Elia, Kirosy ary Davida.
Mosesy:
Voavonjy tamin’ny rano (sauvé des eaux) no hevitry ny anarany. Avy amin’ny taranak’i Levy izy, izany hoe nivoaka tamin’ny fokon’ny Isisraely izay hatokan’Andriamanitra hisahanamanokana ny momba ny fivavahana (Levita).
Hita sahady ao amin’ny anarana sy ny tantaran’i Mosesy ny rano izay hanambara ny batisa (fiampitàna ny Ranomasina mena), ny fahazoana ny rano avy amin’ny vatolampy. Tamin’ny alalany koa ny nanandraman’ny olona sy nihinanany ny Mana tany an’efitra nandritra ny efapolo taona izay hanondro an’i Kristy Mofon’aina.
Nifamatotra tamin’ny tantaram-pamonjen’i Isiraely i Mosesy. Tamin’ny alalan’i Mosesy no namonjen’Andriamanitra ny firenena tamin’ny fanandevozana tany Egypta sy ny famatoran’i Farao , izay fototry ny fanambaràmpinoan’Isiraely. Izany dia manondro sahady ny famonjena izao tontolo izao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny famatoran’ny fahafatesana.
I Mosesy no anisan’ireo izay niseho niaraka tamin’i Jesosy niova tarehy teo an-tendrombohitra araka ny Lioka 9:28-36.
I Mosesy no tandindon’i Kristy teo amin’ny asam-panafahana notanterahiny tany Egypta. Tsy maintsy ampiarahina amin’ny an’i Josoa ny asany (jereo etsy ambany) vao feno amin’ny fanambaràna ny asan’i Kristy.
Arona:
I Arona dia rahalahin’i Mosesy. Rehefa tsy nanaiky hirahin’Andriamanitra hiresaka amin’ny Farao amin’ny anarany i Mosesy, dia nampanalain’Andriamanitra i Arona, rahalahiny, mba ho mpisolovava azy. Izy no Mpisorona voalohany teo amin’ny Isiraely taorian’ny nivoahana avy tany Egypta, ary ny taranany no natokan’Andriamanitra ho Mpisorona teo amin’ny Isiraely.
I Arona, miaraka amin’i Melkizedeka (Gen.14:18; Heb.7) no tandindon’ny fisoronana tanteraka izay nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana.
Josoa:
I Josoa no nandimby an’i Mosesy. Avy amin’ny fokon’ny Efraima izy ary olona nitokisan’i Mosesy. Mitovy hevitra amin’ny anaran’i Jesosy ny anaran’i Josoa (Yehoshua), ary ny heviny dia hoe: Andriamanitra no Mpamonjy (dont le salut est l’Eternel).
Mpitari-tafika mahery izy (cf.Eks.17:8-16), ary niaraka tamin’i Mosesy ampahan-dalana nankao an-tendrombohitra Sinay tamin’ny nanomezana ny Didy folo (Eks.32:17). Izy koa no nisolo-tena ny fokon’i Efraima nandeha nisafo-tany tany Kanana, ary izy sy Kaleba irery no nampahary ny olona handroso hiditra tao amin’ny tany nampanantenain’ny Tompo. Izy roalahy irery ihany koa no hany navelan’Andriamanitra hiditra ny tany Kanana tamin’ireo niara-nihira (de même génération) taminy, rehefa nivezivezy 40 taona tany an’efitra ny Zanak’Isisraely noho ny tsy finoany.
Izy no nitarika ny Zanak’Isiraely niditra ny tany Kanana, ka nampalaza ny fitàna ny ony Jordana tamin’ny tany maina (nisaraka indray oty ny tamin’ny andorn’i Mosesy ny rano) ary ny nandrodanany ny mandan’i Jeriko (Josoa.6).
I Josoa dia tandindon’ny fahatanterahan’ny teny fikasana ny amin’ny famonjena. Raha i Mosesy no nampiala tamin’ny fanadevozana, dia i Josoa kosa no nampiditra tao amin’ny tany Kanana, sy nandresy ireo fahavalo manodidina izay nampihorohoro sy nanakana ny Zanak’Isiraely tsy hitoetra tsy manana ahiahy (fiadanana).
Elia:
Ny hevitry ny anarany dia hoe: Jehovah no Andriamanitra.
Anisan’ny Mpaminany lehibe indrindra teo amin’ny Isiraely izy satria akaiky an’Andriamanitra sady saro-piaro tamin’ny finoana an’Andriamanitra tokana dia Jehovah. Maro ireo fahagagana nataony voatantara ao amin’ny Soratra Masina:
– ny goaika no nodidian’Andriamanitra hitondra sakafo ho azy raha niery teo anilan’ny renirano Kerita izy (1Mpan.17:4-6), ary ny anjely kosa no nitondra sakafo ho azy raha nandositra izy (1Mapn.19:5-7)
– tsy nety ritra ny koba sy ny diloilon’ilay mpitondratena namelona azy (1Mpan.17:9-16)
– natsangany tamin’ny maty ny zanak’ilay mpitondratena (1Mpan.17:17-24)
– naringany ny mpaminan’ny Bala 450 rehefa tsy nahavita ny fanamby nanoloana azy (1Mpan.18:19-40)
– nampiantona ny orana izy dia tsy nisy izany (1Mpan.17:1), ary nangataka orana indray izy dia tonga izany (1Mpan.18:41-45; cf. Jak.5:17-18 )
– nampisaraka ny onin’ny Jordana ho roa izy (2Mpan.2:8)
– nakarina velona tany an-danitra izy (2Mpan.2:1-12)
Raha ny Filazantsara no jerena dia i Elia no niaraka tamin’i Mosesy nihaona tamin’i Jesosy tao an-tendrombohitra araka ny Lioka 9:28-36.
Ny Jiosy sasany dia nihevitra fa i Elia no niverina ka nataon’ny olona hoe Jesosy (Mat.16:14; cf. Mat.17:10-13)
I Elia dia tandindon’i Kristy tamin’ny hafanam-pony tamin’ny fitiavana an’Andriamanitra (1Mpan.19:10,14) sy ny fahagagana maro nataony vokatry ny fihainoan’Andriamanitra azy ary ny herim-pony nanohitra sy nandrava ny asan’ny mpaminanin’i Bala, izay manondro ny adin’i Kristy sy ny fanoherany ny devoly.
Kirosy:
I Kirosy dia tsy mba Israelita fa jentilisa, ary Izy no nanagana ny Fanjakana persiana (fondateur de l’Empire Perse).
Rehefa naharesy ireo firenena lehibe manodidina azy izy ka nitatra ny fanjakany, dia namoaka didy izy namela ny hananganana ny Tempolin’i Jerosalema sy ny manda ary ny hahafahan’ireo Jiosy tany am-pahababoana hiverina any Jodia. I Daniela dia nahatratra ny fotoana niakarany teo amin’ny fitondram-panjakana. (Dan.1:21; 6:29; 10:1ss) sady nanompo azy.
I Kirosy, ao amin’ny Soratra Masina, dia nitondra ny anarana hoe “Mpanompon’i Jehovah”, izay iantsoana ny olona nofenoin’Andriamanitra ny Fanahiny ka atokany mba hanao asa lehibe ho fanehoana ny fahalehibiazany sy ny fahatsaràny amin’ny fanafahana. Io “titre” io dia entina koa hanambaràna an’ilay Mesia, ka ao amin’ny bokin’i Isaia dia sady hanambaràna an’i Kirosy izy no hanondroana sahady koa an’i Kristy amin’ny fihaviany (Isa.44:28; 45:1-4,13; 46)
I Kirosy dia tandindon’i Kristy amin’ny fanafahana sy fananganana notanterahiny maimaim-poana (tsy nikendry tanjona politika na miaramila) ho an’ny olona tsy mpiray firenena aminy akory noho ny fikasan’Andriamanitra napetrany tao aminy.
Davida:
I Davida no azo ambara fa nanan-toerana manokana ao amin’ny Testamenta Taloha teo amin’ny fitohizana eo amin’ny fanekena voalohany niorina tamin’ny Lalàn’i Mosesy, sy ny fanekena faharoa miorina amin’i Kristy sy ny asany.
I Davida no mpanjaka faharoa teo amin’ny Isiraely, taorian’i Saoly. Voalaza fa lehilahy nilofo nametraka an’Andriamanitra teo amin’ny maha-Andriamanitra Azy i Davida ka ny fiainany sy ny fanjakany dia nampioreniny tamin’ny Fanekena (Alliance) izay nifanaovan’Andriamanitra tamin’Isiraely mandrakariva. Araka izany dia nanjary modely tamin’ny fanarahana ny fitsipik’Andriamanitra sy nanondroana ny fiandrianan’Andriamanitra ny fanjakan’i Davida sy ny seza fiandrianany ka milaza fitoerana maharitra sy tsy mety simba (Jer.17:24,25; 22:4).
Noho izany ny seza fiandrianan’i Davida dia nanjary filamatra nametrahana ny fnantenam-pamonjena amin’ny ho avy (Isa.9:6 ; vakio Lio.1:30-32)
Koa ny teny fikasana ny amin’Ilay Mesia ho avy dia mifamatotra hatrany amin’ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida (solofon’i Jese = zanak’i Jese) (Isa.11; 55:3; Jer.33:14-26; Sal.89:3-5; 132:11-12)
Koa ny seza fiandrianan’i Davida izany dia tandindon’ny fiandrianan’i Kristy izay ho avy hitsara marina sy hampitoetra famonjena mandrakizay. Io fanjakan’i Davida io no notokanan’i Jesosy tamin’ny fiakarany ho any Jerosalema tamin’ny Alahadin’ny Sampan-drofia (Mar.11:9-10) ary hotanterahiny (Asa 13:34-37; Ap.5:5; 22:16)
Farany, dia tsy kisendrasendra araka ireo voalaza etsy ambony, raha toa ka avy hatrany dia havoitran’i Matio avy hatrany eo am-piandohana ao amin’ny Filazantsarany, sy i Paoly ao amin’ny taratasy ho an’ny Romana, fa i Jesoa dia zanak’i Davida (taranak’i Davida) (Mat.1;1; Rom.1:1-4).
Solomona :
Izy dia zanak’i Davida, ary ny hevitry ny anarany dia : « tia fiadanana », « tia fandriam-pahalemana », « tia filaminana » (pacifique)
Ny tena nampiavaka azy dia ny fahendrena nananany, izay voatantara fa vokatry ny fangatahany manokana izany araka ny voatantara ao amin’ny 2Tantara 1 :7-12.
Koa dia nalaza hatrany amin’ny faritany lavitra ny fahendreny, hany ka tonga avy lavitra ireo mpanjaka sy olona tonga tany Jerosalema nijery akaiky ny fahendreny sy ny fomba fitsarany, toy ny mpanjakavavin’i Sheba (2Tan.9) ary tsy nisy ady nandritra ny fotoana nanjakany.
Malaza ilay fitsaràna nataony tamin’ireo vehivavy roa niara-teraka ary maty voantsindriny ny zanaky ny iray ary maty ; nefa natakalony ny an’ilay teo akaikiny izany. (1Mpan.3 :16-28)
Ny fehendren’i Solomona dia tandindon’ny fahendrena tao amin’i Kristy. Izy no voalaza fa nanoratra ireo bokin’ny fahendrena ao amin’ny Testamenta Taloha dia ny Ohabolana, Mpitoriteny ary ny Tononkiran’i Solomona.
2. Ny fahatongavan’Ilay Mesia sy ny toetrany ary ny fombany
Ny fahatongavan’Ilay Mesia dia tsy araka ny fijery na fisainan’ny olombelona fa araka ny fomba hafan’Andriamanitra (Isa.55:8-9). Koa ny fihainoana ny faminaniana sy ny fanarahana izany ihany no handraisana ny teny fikasana.
Koa toy izao nonanambarànan’ny Mpaminany izany Mesia izany:
Ny toetrany sy ny fombany:
Isa.11:1-10; 42:1-9; 52:13-53:12; 61:1-2 cf. Lio.4:18-21; Zak.9:9
Ny fomba hahatongavany:
Isa.7:14; 9:1-6
Ny toerana hahatongavany:
Mika 5:1