
Kate 6 – Ny Protestantisma
Eo amin’ny vanim-potoana iezahan’ny FPMA hiorina amin’ny asa-iraka niantsoana azy, araka ny voafaritry ny Lalam-panorenany, dia zava-dehibe ny miara-mijery sy mandinika ny iray amin’izay mampiavaka izany Fiangonana izany dia ny maha-protestanta azy.
Ny Protestantisma dia tsy fivavahana (religion) iray manokana na foto-pinoana iray miavaka amin’ny Katolika romana na ny Ortodoksa, fa ny fivavahana protestanta dia ny fivavahana kristiana ihany izay iraisany amin’iretsy hafa voalaza etsy ambony ihany, ary ny fototra iorenan’ny finoany dia tsy foto-kevitra na fampianarana fa i Jesoa Kristy.
Ny Protestantisma dia azo adika tsotra ho fomba fisainana sy finoana ny finoana kristiana. Ny Protestantisma dia izay manazava ny fomba entin’ny kristiana protestanta mitory sy manambara ny finoany amin’ny tenany, amin’ny samy izy , ary amin’ny hafa, ka mikendry izay haha-mari-pototra izany amin’ny fifanarahany amin’ny Filazantsara..
Tany Allemagne sy Suisse tamin’ny taon-jato faha-16 no nipoiran’ny Protestantisma, tamin’ny alalan’ireo mpanitsy fivavahana vitsivitsy , ka niavaka tamin’ireny i Martin Luther, tany Allemagne, izay nipoiran’ny Fiangonana loterana (Eglise luthérienne) ary I Zwingli sy Calvin, tany Suisse, izay nipoiran’ny Fiangonana reforme (Eglise réformée). NY tsy fitoviam-pijery tamin’izy telo mirahalahy ireo, indrindra ny amin’ny Fanasan’ny Tompo, dia tsy nanakona velively ny fitoviam-pijery sy ny firaisan-kevitra tanteraka teo aminy ka mamaritra ny maha-protestanta ny protestanta. Ireo no antsoina hoe: Principes du Protestantisme.
Azo lazaina fa miisa ho telo lehibe izany principes izany:
1. “Ny Soratra Masina irery ihany” (Sola Scriptura) :
Raha ny momba ny Soratra Masina manoloana ny lovan-tsofina na ny fomba nolovana tamin’ny olona (Ecriture et Tradition) dia ambaran’ny Protestantisma fa “Ny Soratra Masina irery ihany” no fahefana mifehy ny fampianaram-pinoana.
2. “Ny Finoana irery ihany” sy “Fahasoavana irery ihany” (Sola Fide et Sola Gratia):
Raha momba ny finoana manoloana ny asa (La foi et les œuvres) dia ambaran’ny Protestantisma fa « Ny Finoana irery ihany » no mahavonjy ary “Fahasoavana irery ihany” no andraisana izany fa tsy fahamendrehana avy amin’ny asa. (Efes. 2/8-9)
3. “Ny Fanahy Masina irery ihany” (Testimonium Spiritus Sancti):
Eo amin’ny fandraisana ny hevitry ny Sopratra masina dia tsy hain’ny olombelona amin’ny alalan’ny sainy na ny fahalalany ny mahalala ny zava-miafina ambaran’ny Soratra Masina. Mila hazavain’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy amin’izany. Raha Kristy no fototry ny finoana ary ny Soratra Masina no manambara Azy (Jao. 5/39) dia ambaran’ny Soratra masina fa “tsy misy mahay manaiky fa Kristy no Tompo”, izany hoe mino, raha tsy avy amin’ny Fanahy. (cf Jao.5/40; 1Kor. 12/3b)
Hitantsika fa mifamatotra ireo principes telo ireo, noho izany ny mpandinika sasany dia milaza fa principe iray ihany ireo fa tsy telo misaraka akory.
Ny sasany indray dia milaza fa miisa ho efatra ny principes mamaritra ny Protestantisma ka avahana sy sarahina hiavaka tsara ny Sola Fide sy ny Sola Gratia.
Ny sasany dia milaza fa roa ihany ny principes mamaritra ny Protestantisma ka miaraka ny Sola Scriptura sy ny Testimonium Spiritus Sancti satria mikasika ny fahefana mifehy ny zava-marina momba an’Andriamanitra sy ny Teniny , ary ny Sola Fide sy ny Sola Gratia izay mikasika ny finoana sy ny famonjena.
Ny sasany dia milaza fa miisa ho dimy ny principes mamaritra ny Protestantisma dia ny:
– Sola Scriptura
– Sola Fide
– Sola Gratia
– Testimonium Spiritus Sancti
– Soli Deo Gloria : “Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra” na koa «Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany » izay maneho ny zava-kendren’ny asa sy fiainan’ny kristiana protestanta dia ny fanehoany fa Andriamanitra irery ihany no mendrika handray ny voninahitra.
Raha izay ireo principes mamaritra ny maha-protestanta ny protestanta, dia asaina isika hiara-mandalina izany amin’izao lasy izao. Noheverinay fa tokony hizara roa, araka ny sokajin-taona, isika amin’ny fomba entina manao izany :
- 1.Ho an’ireo ankizy madinika sy tanora zandriny, dia ny fampahafantarana azy ny Protestantisma amin’ny fomba takany sy mifanaraka amin’izay iainanay ankehitriny no noheverinay fa lalana mety.
- 2.Ho an’ireo tanora zokiny sy ny lehibe kosa, izay efa nahafantatra kely na betsaka momba ny protestantsma, dia ny lafiny pratika no tsra ifotorana, araka ny hevitray, ka hijerena ny fiainan’ny tsirairay sy ny fiainan’ny FPMA ankehitriny. Ny tanjona dia ny hanamafy izay efa miorina tsara ary hanarina ny lesoka na hampitombo ny tsy ampy. Ohatra : – Ny Protestantisma sy ny fomba nentin-drazana (Protestantisme et traditions). Azo atao koa ny mijery ireo asa ilofosan’ny Protestantisma ankehitriny ka nahovozany hevitra sy hametrahany tanjon’asa (projets). (Ohatra : – Ny Protestantisma sy ny eokomenisma). Ary azo atao ny mijery lohahevitra mampifandray ireo roa ireo toy ny hoe: – Ny Protestantisma sy ny asa fanasoavana.
Koa ny Fanahy Masin’Andriamanitra anie hampahery sy hanazava antsika hahafahantsika mandroso tsara amin’ny finoana sy ny asa mifanaraka amin’ny Filazanatsaran’i Kristy, izay niantsoana antsika, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
Mpitandrina Elysée ANDRIAMIANDRA