
Alahady 27 Aogositra 2023
Ny Mpitandrina sy ny Komity FPMA Toulouse dia faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana sy Tompon’ny asa. Toy izao indray no vaovao azo ambara amintsika anio:
VAOVAO FARITANY
FIOFANANA TOMPON’ANDRAIKITRA
Faly manasa antsika hanatrika ny fiofanan’ny tompon’andraikitra izay hatao ny :
Sabotsy 02 Septambra 2023 (par Zoom)
Ora : 9h30-11h30
Indro ny lien zoom :
https://u-bordeaux-fr.zoom.us/j/89288306501
Voakasik’izany isika rehetra manana andraikitra eto @ fiangonana (Mpitandrina, Komity, Birao Sampana 8, birao ESPMA, Loholona, Komity trano Fiangonana, Mpandinim-bola, Moniteurs STA, Mpitaiza TILY
VAOVAO TAFO
FILAZANA MARIAZY
“Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafanany irery ? Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.” Mpitoriteny 4 : 11 – 12
RANAIVO RAKOTONDRAVELONA Samuel Jérôme Lala sy RASOARIMANGA Voninavoko Herinirina mivady
RAZANANTSANDRA Claire RAZAFINDRAMISA Justin RANDRIANARISOA Solomalalatiana Hubert sy RAZAFINDRAMIADANA Noroharivelomivady
Dia faly manasa anareo hiaraka hiombom-bavaka amin’ny fanamasinana ny fanambadian’ny zafiny, ny zanany
RANAIVO RAKOTONDRAVELONA Mandimby Nirina sy RANDRIANARISOA Irinambinintsoa
Ny Asabotsy 9 Septambra ao @ FJKMIfaliarivo Ambanidia
SAMPANA STA
- STAdia manao antso avo : mitady mpampianatra hanatevina ireo efa misy. Na tsy manana trai-kefa momba ny fampianarana, fa vonona hamaly ny antso ho anao. Misy ny fiofanana sy ny fihaonana amin’ny mpitandrina, tsy irery ianao , miara-miasa akaiky aminao ny mpampianatra efa za-draharaha. aza misalasala mananotna ny birao ny STA, na ny diakona mampita ny hafatra.
- Ny fisoratana anarana amin’ny tao-pianarana vaovao dia manomboka ny 03 Sept mialoha sy ao aorian’ny fotoam-pivavahana, afaka manantona ny mpampianatra na ny birao ny STA.
Ny Fidirana STA dia ny 10 Sept amin’ny 9h15, hisy fivorian’ny RAD amin’io fotoana.
STK VDJ
«Ce n’est pas vous qui m’avez choisi; mais moi, je vous ai choisis, et je vous ai établis, afin que vous alliez, et que vous portiez du fruit, et que votre fruit demeure, afin que ce que vous demanderez au Père en mon nom, il vous le donne.» Jean 15:16
La STK vous informe de la reprise des Vendredi des Jeunes, le vendredi 1er Septembre prochain à 19h30 au Vieux-Temple.
Ayant pour titre « The Call », cette soirée de louanges, de partage de la Parole et de prières aura pour thème « L’appel de Dieu , Service et Engagement »
Cette soirée est ouverte à tout le monde, alors nous vous attendons nombreux pour partager un moment fraternel.
A vendredi !
Soyez bénis »
SAFIF
Fifaliana lehibe ho an’ny Sampana Fifohazana ny mampandre antsika Fiangonana fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famindrampony dia ho tanterahina ny Asabotsy sy Alahady 8 sy 9 Septembre ho avy izao ny fankalazana ny isantaony.
Ny Asabotsy 8 Septembre
2ora30 : fampianarana atolotry ny Mpitandrina Elysé Andriamiandra eto @ Vieux Temple,miompana ny lohahevitra hoe :
» Mitoetra @ finoana an’i Kristy Zanak’Andriamanitra velona ( 2Kor 13:5 ; Matio 16: 15-16)
Aorian’ny fampianarana dia hisy fiaraha-miala hetaheta anasan’ny Sampana Fifohazana antsika.
Ny Alahady 9 Septembre dia fotoam-pivavahana tarihan’ny SAFIF ho fankalazana ny isantaony.
Hisy valopim-bokatra ho zaraina amintsika @ io Alahady io ho fanohanana ny SAFIF
Manentana ampitiavana antsika rehetra mba hanotrona ny SAFIF @ izany isantaony izany
FIFIDIANANA DIAKONA 2024-2025
“Betsaka ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy, koa amin’izany mangataha amin’ny tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra” Matio 9:38
Mitohy ny fisoratana ao amin’ny cahier eo ampidirana na any @ Mpitandrina ary mifarana izany ny 15 Oktôbra 2023 sasakalina. Marihina fa mbole congé ny Mpitandrina hatramin’ny 27 Aogositra.
Azo atao ny manolotra anarana rehefa nanaiky ilay olona noresahina. Ny fifidianana dia hatao ny Alahady 29 Oktôbra 2023. Toy ny mahazatra dia misy ny entretien miaraka @ Mpitandrina mialoha ny fifidianana.
Hisy fanavaozana ny lisitry ny Mpandray manomboka izao ka hatramin’ny herinandro mialoha ny fifidianana. -ny fisoratana anarana amin’ny tao-pianarana vaovao dia manomboka ny 03 Sept mialoha sy ao aorian’ny fotoam-pivavahana, afaka manantona ny mpampianatra na ny birao ny STA.
FANADIOVANA NY TRANO FIANGONANA
Ny tompon’anjara amin’ny fanadiovana ny trano Fiangonana anio dia ny FNM sy H’Endripeo
DIARY
Ny Fanompoampivavahna fidirana dia ao @ Temple du Salin ny Alahdy 3 Septambra amin’ny 3 ora tolak’andro
Misaotra antsika naharitra hatramin’ny farany ary ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.