H’endripeo
Ny taona 2019 no nananganana ny Sampana Zava-Maneno teto amin’ny FPMA Toulouse na efa an-taonany maro aza no nisy ny Vaomieran’ny Hira sy Mozika izay nanana ny rafi-pandaminany manokana.





Natsangana ho isan’ny Tsangambaton’ny faha 60 taonan’ny FPMA Toulouse ny Sampana Zava-Maneno
« Zarazaraina samihafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany » 1 Kor 12 :24 no teny iorenan’ny asany mandritra ity taona 2020 ity
Ny asany :
- Fiaraha-miasa amin’ny Mpitandrina sy ny Antoko Mpihira ary ny Vondronasa Fiainam-piangonana amin’ny fiandraiketana sy fanatanterahana ny hira sy mozika mandritra ny fanompoam-pivavahana rehetra.
- Fanomezana aim-panahy sy fitarihana ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fiderana sy ny fitsaohana amin’ny alalan’ny kanto an-kira sy mozika.
- Sehatra ivelarana sy itomboan’ireo nomen’ny Tompo talenta ao am-piangonana amin’ny fikirakirana zava-maneno mba hahatonga izany ho fanomezam-pahasoavana hanompoana an’ Andriamanitra.
Ireo Biraon’ny sampana SZM 2020 – 2021
Filoha: RASOAMANANA Herimanoa
Filoha mpanampy: RANAIVO RAKOTONDRAVELONA Mandimby
Mpitan-tsoratra: RAJOHNARISOA Fitiavana
Mpitantam-bola: RAKOTOVAZAHA Finoana
Ny mailaka ifandraisana : szm.fpmatoulouse@gmail.com