| FAMARITANA
Ny teny hoe "fibebahana". "mibebaka" ary "mibebaha" dia miverina mihoatrany intelopolo ao amin'ny Testamenta Vaovao. Manaporofo avy hatrany nyhalehiben'izany fampianarana izany ny fiverimberenany. Ny diksioneran'ny Baiboly dia milaza fa ny atao hoe : "fibebahana" dia entimilazafiovan-toetsaina (mentalité) na fiovam-pikasana (intention). Ny fibebahanaaraka ny hevitry ny mpandinika ny Soratra Masina dia izany tokoa "alahelo anatynoho ny fahatsapana ny fahotana natao sy iainana sy noho ny fahatsiarovanafa nampalahelo an'Andriamanitra izany koa dia manjary miteraka fiovantoetsainaizany sy fiovam-pikasana.
|
|
|
|
| |