Antson'ny Filazantsara

D9


D9 - Ny vavaka
Écrit par Andriamiandra Elysée
Lundi, 03 Juin 2013 19:43
PDF Imprimer Envoyer

NY VAVAKA 

 

Hoy ingahy Nietzche, filozofa alemana nalaza : “Mahamenatra izany hoe mivavaka izany”. Hoy koa ingahy Alfred de Vigny mpanoratra frantsay : “Ny mihorohoro, sy ny mitomany ary ny mivavaka dia samy hakanosana avokoa”. Hoy kosa ingahy Billy Graham mpitoriteny ngezalahy : “Mbola tsy fantatsika fa manan-kery lavitra ny olon’Andriamanitra mandohalika mivavaka noho ny lehilahy miery aorian’ny an-dian-tafika iray”. Ary dia hoy ny Tompo : “Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ianao ka tsy rera­ka” (Lio. 18 : 1). Manamafy izany i Paoly apostoly ka hoy izy : “Fa mivavaha man­drakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivava­hana rehetra sy ny fangatahana ka miambena amin’izany amin’ny faharetana” (Efes. 6: 18).

Fa inona moa no atao hoe vavaka ? Ary ny olona manao ahoana no mivavaka ? 

Raha ny ntaolo malagasy no anontaniana dia ny fangataham-pitahiana amin'ny razana na izay lazainy hoe “Zanahary” no iheverany ny hoe vavaka.

Fa raha ny Soratra Masina kosa no jerena dia resaka  mivantana ifanaovan'ny olon' Andriamanitra aminy no atao hoe vavaka. Ny zavatra iray nitovizan'ny mpaminany rehetra ao amin'ny Baiboly, sy ny mpanompon'Andriamanitra rehetra nampiasainy teto amin izao tontolo izao dia ny fitiavam-bavaka. Mety ho samy hafa ny fiainan'izy ireo, ny tomba fiteniny, ny fotoana niasàny ho an'ny Tompo, fa ny fo tia vavaka kosa dia nitovizan'izy rehetra. Lazain'ny mpan­dinika ny Filazantsara fa ny teny hoe mivavaka sy ny hoe vavaka dia mihoatra in-25 no voalaza raha ny amin'i Kristy no dinihina.

Inona no anton'ny ivavahana ? 

Misy antony maromaro mampirisika antsika hivavaka

1° Asa. 6:2-4 “Izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana

Zava-dehibe tamin'ny Apostoly ny vavaka ary izay rehetra te-hanaraka ny dian'izy ireo dia tokony hiaina tahaka azy ireo koa.

2° Mar. 1:35: “Ary nifoha maraina alina koa izy (Jesoa), dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany

Na dia ny Tompo aza rehefa nitafy nofo izy ka tonga olombelona dia hita tamin'ny fiainany ny fitiavany nivavaka ary nahatonga ny sasany aza hangataka taminy hoe “Tompoko, mampianara anay hivavaka”.

3° Efes. 6:12, 18 : “Fa isika tsy rnitolona amin'ny nofo aman-dra fa amin'ny fanapahana

sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao dia ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra ... Mifahara ary ka sikino famaharinana ny valahanareo ... Ary mivavaha mandrakariva amin’ny Fanahy… »

Misy ny devoly na dia tsy inoan'ny olona maro aza izany. Ny kristiana dia manam­-pahavalo ary ny devoly no fahavalony (1Pet.5:8). Rehefa natoron'Andriamanitra azy ireo fiadiana samihafa dia nambarany fa ny fivavahana no hery ho enti-mampiasa ireo fiadiana rehetra ireo.

4° Heb.7:25 : “Koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy satria velona mandrakizay hanao fifonana azy” ;

Ny vavaka dia isan'ny asa fanompoana goavana ary azo lazaina aza ho ny goavana indrindra ataon'ny Tompo eo ankavanan'ny Ray. Hoy i Paoly : “Iza no hiampanga ny olomboafidin' Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka? Kristy Jeso no efa maty, eny sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan' Andriamanitra ary mifona ho antsika”. (Rom. 8: 33-34). Koa ny fitia­vantsika mivavaka dia fiarahantsika manompo amin'i Kristy. Indrindra ny fitondrantsika ny hafa amin'ny vavaka.

5° Heb.4:16 : “Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny+ fahasahiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'ny andro mahory”.

Mila famonjena lalandava isika raha mbola eto amin'izao tany izao koa. Hisy koa ny andro mahory. Tsy ny mitomany ny tenantsika fotsiny na ny mitoreo mitanondrika no haha­zoantsika fahasoavana sy famonjena fa ny “manatona ny seza fiandrianan'ny Ray amin'ny fahasahiana” izany hoe : sahy mivavaka.

6° Fil. 4:6-7 “Aza manahy na inona na inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manam­bara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevi­trareo ao amin'i Kristy Jesosy”.

Feno fanahiana lalandava ny fon'ny olona amin'ny zavatra rehetra. Tian'ny Tompo anefa ny tsy hanahian'ny olona. Mba hahafaka izany dia atorony ny lalana : vavaka.

7° Jao. 16 :24b : “Mangataha dia hahazo anareo mba ho tanteraka ny fifalianareo”. 

Mahadiso hevitra antsika ny tsy fandinihantsika ny Soratra Masina sy ny tsy faha­lalantsika marina an'i Kristy. Eto dia asehony miharihary fa irin'ny fony ny hahatanteraka ny fifaliantsika. Ny lalana atorony ahazoana izany anefa dia : vavaka ihany.

Heveriko fa ampy antsika ireo andinin­-tSoratra Masina ireo hampirisika antsika hivavaka. Raha nanatri-maso ny fifohazan-dehibe tany Kore ingahy Kurt Koch dia nanoratra boky milaza ny herin'ny vavaka any. Dia hoy izy : “Rehefa manampatra ny heriny i Satana dia tsy maintsy miara-mitolona amam-bavaka ny mpino

Misy anefa angamba hiteny hoe : “mba mivavaka ihany izahay nefa tsy misy valiny”. Im­piry aho no nangataka ho afa-panadinana hoy ny sasany nefa tsy hitako izay teo. Tsy hivavaka intsony aho. Nivavaka mafy aho mba ho velona ny raiko hoy ny sasany nefa dia maty hany izy. Mety ho marina ary tena marina tokoa izany. Koa andeha hodinihintsika ‘ndrao misy mety ho anton'izany izay ambaran'ny Soratra Masina.

Ireo sakan-dalan'ny vavaka ambaran'ny Baiboly 

1° Jak. 1: 6-7 :  “Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory ; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. Aoka tsy hanam­po handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany”.

Ny olona mangataka amin'ny Tompo nefa miahanahana fa tsy matoky ny teny fikasana efa nomeny dia mampandainga an'Andriamanitra. Ny tsy finoany no sakan-dalana ho an'ny vavaka ataony.

2° Jak.4:3: “Mangataka ianareo nefa sy mahazo ihany satria diso fangataka mba holaninareo amin’ny filanareo”.

Izay tian’ny Tompo holazaina amintsika dia ny tsy fankasitrahany ny vavaka tia tena fotsiny “holaninareo amin’ny filanareo”. Ny filana ao anatintsika no entintsika mangataka, mba hanankarena hoderain'ny olona ohatra ; mba ho afa-panadinana hahazoana mirehareha amin-dRanona ; mba holevonin’Andriamanitra ny fahavalo hahazoana milaza hoe: sakoa izay!... Vavaka tia tena fotsiny izany. Ary na dia ny fiangonana sy ny mpitory teny aza dia mety halaim-panahy te-halaza ka mangataka izany... “diso fangataka ianareo hoy ny Tompo, mba holaninareo amin’ny filanareo”. Tokony hanontany tena ary isika raha mivavaka hanao hoe : Inona moa no anton’ny angatahako izany?

3° Is.59:1-2: “Indro ny tanan'i Jehovah tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy laloda­lovana fa mahare ; fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka dia tsy mihaino anareo izy”.

Mazava ho azy fa ny fahotana tsy nibebahantsika­ (ary iza moa no tsy manota ?) dia efitra mampisaraka antsika amin'Andriamanitra, ary sakan-dalana ho an'ny vavaka ataontsika izany. Firfiry  akory   ny olona tsy mihevitra akory izay hibebaka amin'ny fahotany fa dia ny mangataka amin'Andriamanitra foana no ataony. Hahagaga ve raha tsy misy ny valim-bavaka?

4° Ezek.14 : 3: “Ry zanak'olona, ireto olona ireto efa nampiorina ny sampiny ao am-pony ary ny fahataflntohinana mahameloka azy dia ape­trany eo anoloany. Moa hety hanontanian'ireto va Aho” ?

Ny sampy ao am-po dia mahatonga ny Tompo tsy hihaino ny vavaka ataontsika. Ary ny atao hoe “sampy” dia izay zavatra rehetra na inona inona tianao mihoatra noho ny fitiavanao an' Andriamanitra, eny na dia ny vady aman­-janakao aza, mainka moa fa ny harena izay mamatotra ny fon'ny maro tokoa ka ilay tovolahy mpanankarena izay mba nanatona ny Tompo aza dia toy izao no voasoratra ny aminy : “dia niala tamin'alahelo izy satria nanana fananana be” (Mat. 19 : 22). Koa raha tsy mivaly ny vavakao dia diniho ‘ndrao misy sampy ao am-­ponao no mahatonga izany.

5° Jao. 15 : 7: “Raha miray Amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko ; dia angata­ho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany”.

Raha tsy mivaly ny vavaka dia tokony hanontany tena isika hoe : moa tena miray marina amin'i Kristy va aho ? Moa ny Teniny tokoa ve no mitarika izao vavaka ataoko izao sa inona no fanorenako izay angatahiko ankehitriny na izay nangatahiko nefa tsy azoko ?

6° Mar.11:25:    “Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo ala­helo dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo”.

Efa hitantsika fa ny heloka dia efitra mampi­saraka amin'Andriamanitra (Is. 59 1-2). Raha mibebaka isika dia vonona hamela ny helotsika ny Ray, nefa raha tsy mamela ny heloky ny namantsika isika dia tsy hamela ny helotsika koa ny Tompo. Ary rehefa tsy mamela ny helotsika Izy dia mazava ho azy fa tsy hihaino ny vavaka izay ataontsika koa. Tandremo àry ny lolom-po amin­-dRanona sy Ranona, ny alahelo tehirizina : “Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahate­zeranareo” hoy ny Tompo. Dia hoy ilay mpanompon'Andriamanitra iray: “Tara loatra izany : dimy minitra ihany dia tokony ho ampy!

7° 1Pet.3:1,7 : “ Ianareo vehivavy maneke ny vadinareo mba ho voataonan'ny fitondrate­nan'ny vavy izy na dia tsy amin'ny teny aza (raha tahiny misy tsy manaiky ny teny) ... Ary toy izany koa ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manajà ny vavy tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan ny fiainana, mba tsy ho voasakana ny fivava­hanareo”.

Firifiry ny tokantrano tsy mifanaraka anke­hitriny nefa anie ka samy mandeha am­-piangonana izao e, samy mandray kominio na fanasan ny Tompo izao na ny vavy na ny lahy. Tsarovy fa voasakana ny fivavahanareo hoy ny Tenin’ny Tompo raha misy tsy fifanarahana eo amin’ny mpivady.

Sasantsasany amin'izay sakan-dalam-­bavaka hita ao amin'ny Soratra Masina ihany ireo. Ampahafantarin'ny Tompo satria tom­pon'andraikitra eo anatrehan'Andriamanitra anie isika e. Maro no mangataka be fahatany amin'Andriamanitra ary dia ny Tompo no omeny tsiny raha vao tsy mahazo izay iriny izy. Raha mba mandinika ny Soratra Masina mantsy ireny olona ireny dia hisy fiovana tokoa ny fiainany ary hazava aminy ny sitrapon Andriamanitra.

Ny marina anefa dia manan-kery eo anatrehan'Andriamanitra ny vavaka 

Hoy ingahy Billy Graham: “Tsy mihevitra intsony ny vavaka afa-tsy ny mahafomba tokony hajaina azy fotsiny isika ankehitriny. Very eo amintsika io firaisana mivantana amin' Andriamanitra io; fomba fotsiny sisa no ivavahantsika”.

Nefa diniho ange : Raha mbola nivavaka i Abrahama dia tsy nandevona an'i Sodoma sy Gomora Andriamanitra !

Nivavaka i Elia dia nandatsaka afo avy any an-danitra Andriamanitra handevona ny fanatitra nataony ary dia niankohoka ny vahoaka rehetra tao Karmela.

Nivavaka i Daniela dia nasehon'Andriamanitra azy ny zava-miafin'ny tantara ary na dia ny vavan'ny liona noana aza nikombona taminy.

Nivavaka i Paoly sy i Silasy dia nihozongo­zona ny tranomaizina ka nivoha ny varavarana rehetra.

Nivavaka i Jonathan Edwsards dia nisy fifo­hazan-dehibe tany Amerika.

Ilay mpanompon'Andriamanitra iray fan­ta-daza tamin'ny asa nampanaovin'ny Tompo azy atao hoe Kathryn Kuhlman dia nanao hoe : “Raha mba mivory amin'ny anaran'i Jesoa Kristy manko ny mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana dia tsy hisy intsony ny ady (hoy Jesoa : “Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo”). Ary hoy ihany ingahy Billy Graham : “Tsy ho hita akory ny vahaolana amin'ny fahasahiranana eo amin'izao tontolo izao raha tsy manatona an'Andriamanitra hivavaka Aminy ny olona ... Raha mba mandohalika hivavaka amin'Andriamanitra manko aloha ireo manam­-pahefana eto amintsika alohan'ny fivoriany dia hahita zava-mahagaga hiseho eo amin'ny raharaham-pirenena isika”.

Ny olona mahery amin'ny vavaka dia hahery koa amin'ny asa ampanaovin'ny Tompo azy satria Ilay Mahery no miara-miasa aminy. Hisinda tahaka ny zavon'ny maraina ny fahasahiranantsika raha mangataka izany amin'ny Anaran'i Jesoa isika mba ho voninahitry ny Ray. Mbola vonon-kihaino izay mivavaka Aminy amin'ny fo marina tahaka ny tamin'ny andron'ny Balboly ny Tompo : “NA INONA NA INONA ANGATAHINAREO AMIN'NY FIVAVAHANA DIA MINOA FA EFA NANDRAY IANAREO DIA HO TONGA IZANY” (Mar. 12: 24). Mbola marina ho antsika hatramin'izao ny teny fikasana hoe :

“RAHA NY OLONA IZAY NANTSOINA AMIN'NY ANARAKO HO AVY HANETRY TENA KA HIVAVAKA SY HITADY NY TAVAKO ARY HIALA AMIN'NY RATSY FANAONY DIA HIHAINO ANY AN-DANITRA AHO KA HAMELA NY HELONY ARY HAHASITRANA NY TANINY”. (2 Tant. 7 : 14).

Pasteur RAZAFIARISON Emilien

Mise à jour le Lundi, 03 Juin 2013 19:51
 
D9 - Ny fahamasinana
Écrit par Andriamiandra Elysée
Mardi, 19 Mars 2013 08:34
PDF Imprimer Envoyer

NY FAHAMASINANA

FITARIHANA

Ny fahamasinana dia toetran’Andriamanitra amin’ny maha-Andriamanitra hafa Azy : Isa.40 :18,25 ; 46 :5 ; Jer.2 :11

Ny fahamasinan’Andriamanitra dia miseho amin’ny toetrany dia ny fahamarinany, ny fahalehibiazany, ny fahadiovany, ny fahatokiany, ny fitiavany. Amin’ny maha-Andriamanitra Masina Azy dia mendrika ny haja sy ny voninahitra ary ny fahamarinana Izy.

Andriamanitra Ilay Masina dia nifidy firenena iray mba ho vavolombelony

  1. ohanambara ny asa mahagaga ataony (Sal.9:1; 145:4)
  2. ohanambara ny fahamarinany (Sal.22:31)
  3. ohanambara ny fiderana Azy (Sal.51:15; Is.43:21)
  4. ohanambara ny famindram-pony (Sal.92:2)
  5. ohanambara ny heriny (Sal.71:18; 78:4)

Ambara fa io Andriamanitra io dia nanokana ny tenany sy ny asany ho amin’ny firenena nofidiany ary io firenena io dia tiany hatokana hanambara ny maha-Izy Azy, koa dia antsoiny hitafy fahamasinana (Lev.19:2). Noho izany ny teny hoe “masina” dia adika hoe “voatokana” (mis à part). Tsy milaza fomba fiseho na fihetsika akory ny fahamasinana, na miresaka fahatanterahana, fa milaza ny toerana misy miohatra amin’ny hafa.

Rehefa itarina ny hevitry ny fahamasinana, ny atao hoe masina dia “voatokana ho an’Andriamanitra”. (Vakio Lev.11:45; 20:26)

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny fanomezana ny lalàna dia marika manorina ny fahamasinan’ny vahoakan’Andriamanitra ka hanekeny ny fahamasinan’Ilay niantso azy sy namonjy azy.

1. Ny fahamasinana araka ny Soratra Masina:

Ny olona iray raha vao manaiky an’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy ka mandray ny fanavotany ho an’ny tenany dia voatokana ho an’i Kristy izy. Ny fahamasinana izany dia tsy toetran’ny olona notsongaina ao amin’ny mpino fa toetran’ny voaavotra rehetra.

Na izany aza anefa dia tsy masina daholo akory ny toetran’ilay olona fa ny fomba fisainana sy ny toetra ary ny fiteny sns… dia mbola mila havaozina sy ahitsy tsikelikely (ny toetra taloha), ka “(ny) Kristy(ana) tsy maintsy mitombo, ary (ny) izaho tsy maintsy mihena” (Jao.3:30)

Izany no mahatonga ny Apostoly nampahery ny kristiana mba hihazona sy hitombo amin’ny fahamasinana (Heb.12:14; 1Pet.1:13-16, 23; Ap.22:11)

2. Ny dingana voaloahany amin’ny fahamasinana: NY FANOLORAN-TENA.

Ny finoana no manosika ho amin’ny fanoloran-tena: ny finoana fa Andriamanitra ao amin’i Kristy no anton’ny zavatra rehetra, izay nanavotra ny olona tamin’ny rany ka nanavao ny fiainany noho ny fahasoavany (Jao.1:3; Rom.3:24-25; Ef.1:7).

Ny fanoloran-tena dia sady mari-pankasitrahana no mariky ny fanavaozana izay raisin’ny voavonjy. Izany no nahatonga an’i Paoly hiangavy ny kristiana tany Roma hanolotra ny tenany: Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy [Na: fanompoam-pivavahana] mety hataonareo izany.” (Rom.12:1) 

3. Ny vokatry ny fanoloran-tena madio: NY FAHAMASINAN-TOETRA.

Ny fahamasianan-toetra dia toetra mampiavaka na fitondran-tena maneho ny maha-kristiana, dia toe-panahy araka an’Andriamanitra (1Tim.2:1-2; 4:7-8; 6:3-6; 2Pet.1:3) Nantsoina ho vavolombelon’i Kristy ny kristiana (Asa.1:8) ary ny hoe vaolombelona dia tsy hitantara na hiteny fotsiny fa haneho ny toetran’i Kristy sy ny fombany eo amin’ny fiainany. Mariky ny fanavaozana raisin’ny mino ny fahamasinana (2Kor.7:1; Ef.4:24; vakio Rom.6:19)

Ny fahamasinana no toetra sy sehatra napetrak’Andriamanitra hitomboan’ny kristiana ho amin’ny fahatanterahana, izay toetra takian’ny Tompo aminy (Mat.5:48).

4. Ny santatry ny fanoloran-tena: NY BATISA

Ny batisan'i Jaona no batisa nambara voalohany ao amin'ny Soratra Masina; ary izany batisa izany dia " ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka. " (Mar 1/4) Ny rano no fitaovana fanadiovana na fidiovana voambara ao amin'ny Baiboly, ary, ny Mpisorona eo amin'ny fotoana mialoha ny hanolorany ny fanatitra, ny boka sitrana, ny olona azon'ny tsiranoka, izay rehetra nikasika faty na zavatra voaloto sns... no midio na misasa amin'ny batisa (rano) (Lev. 16/4,24 ; 14/8-9 ; 15/13, 27 ; Nom. 19/19 ).

Ny fidiovana notakian'i Jaona Mpanao Batisa dia mitaky:

- fandaozana ny fiainana lasa

- fandehanana amin'ny fiainam-baovao izay adika amin'ny hoe "mamoa voa miendrika ny fibebahana". (Mat. 3/8)

Ny batisa nataon'i Jesosy sy ny mpianany dia mirakitra ireo hevitra ireo; ary nialoha ny hiakarany ho any an-danitra Izy dia nandidy ny mpianany hanao batisa. (Mat. 28/19)

Ny teny hoe batisa dia nandikana ny teny grika hoe baptizo izay mandentika anaty rano no dikany. Io teny io anefa dia tsy nihazona io dikany io foana, fa na dia tamin'ny andron'ny Tompo aza dia voambaran'i Lioka fa gaga ilay. Fariseo anankiray, fa tsy nanao batisa ny tanany i Jesosy mialoha ny hisakafo.(nanasa tanana, nisasa tamin'ny rano, baptizo no foto-teny ampiasaina eto) (Lio. 11/38 ; jereo koa Mar 7/3)

Na dia fomba mazava nentina naneho sy nanazava ny batisa aza ny fandentehana anaty rano  ( Jereo Rom. 6/4 dia tokony homarihina tsara fa ny tena lehibe dia ny fanambaràna ny batisa ho fisasana, ho fanadiovana amin'ny ota mba handehanana amin'ny fiainam-baovao, ka tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Kristy no andraisana sy hanambaràna izany, ary ny rano no tena manondro azy.

Ny Didaché, izay foto-pampianaran'ny kristiana voalohany, dia manambara ireo karazam-pomba ahazoana manatanteraka ny batisa, ka ny tsara indrindra, hoy izy, dia ny fandentehana anaty rano, nefa raha tsy azo atao izany na manahirana, dia atao fafirano. Hitantsika amin'izany fa tsy diso na tsy misy heviny ny batisa atao amin'ny alalan'ny fafirano (aspersion)

Ny batisa dia atao amin'ny olona izay mibebaka sy mino. Tamin'ny andron'i Jesosy, ireo olona izay vita batisa, dia naka ny laharan'ny mpianatra ka nanaraka Azy. (Jao. 3/22 ; Jao. 4/1-2) Ny fanambaràna ao amin'ny Marka 16/16 fa "izay mino sy atao batisa no hovonjena" dia toa milaza fa ny olon-dehibe ihany no azo atao batisa, satria izy ireo ihany no afaka mino sy manambara ny finoany. Tsara anefa ny manamarika fa ny fikasan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany dia ny hanorina ny Fanekeny (Alliance) amin'ny fianakaviana. Ny fianakaviana (foto-teny : anaka ; firenena ftt: reny ; nation ftt: né, naître ) no nanorenan'Andriamanitra ny Fanekeny . Araka izany ny Fanekana natao tamin'ny olona anankiray (Abrahama ) dia nikendry ny ankohonany sy ny taranany, ary ny finoan'ny ray aman-dreny amin'ny maha-lohan'ny fianakaviana azy ireo, izany hoe amin'ny maha-mpitaiza sy tompon'andraikitra azy amin'ny zaza no miantoka ny finoany sy ny fitomboany amin'izany finoana izany noho ny fitaizana.

Koa ny batisan'ny olon-dehibe dia ny fanekeny hiditra ho fianakaviam-ben'ny mino amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny fandehanana amin'ny fiainam-baovao. Ny batisan'ny zaza koa dia fidiran'ny zaza ho anisan'ny fianakaviam- ben'ny mino amin'ny alalan'ny faneken'ny ray aman-dreniny hitaiza azy sy hanabe azy mba "ho olon'Andriamanitra tanteraka, ho vonona tsara amin'ny asa tsara rehetra." (2Tim. 3/15-17) Teo amin'ny Testamenta Taloha izany dia ambara amin'ny alalan'ny baiko hita ao amin'ny bokin'ny Ohabolana 22/6: "Zaro amin'ny lalana tokony halehany ny zaza, fa na dia antitra aza izv dia tsv hiala amin'izany" Ny ahiahy ny amin'ny finoan'ny zaza, izay fototra hanorenana ny fandavana ny batisan'ny zaza, dia vokatry ny tsy finoana fa mitombina io lalam-pitaizana voalaza etsy io. Tsy ny tsi-fahefan'ny olona (impuissance) no tsy maha-marina ny Tenin'Andriamanitra, fa ny Tenin'Andriamanitra no mamonjy ny olona amin'ny tsi-fahefany. Noho izany dia azo antoka ao amin'ny fomban'Andriamanitra ny fahatanterahan'ny zava-kendreny amin'izany fombany izany, fa tsy ny fisainantsika no entintsika mitsara ny fomban'Andriamanitra.

Ny hevitry ny batisa dia ny fanadiovana amin'ny ota amin'ny alalan'ny fahafatesana sy ny fitsanganan'ny Tompo tamin'ny maty, ary ny fidirana ho fianakaviam-ben'ny mino, ka hidirana ho isan'ny Fiangonana no endrika ivelany hisehoan'izany.

Hoy i Paoly Apostoly: "Iray ny batisa" .(Efes. 4/5) Izany dia maneho ny maha-tanteraka ilay fanoloran-tenan'i Kristy indray mandeha monja teo amin'ny hazofijaliana. Koa dia tsy havaozina na haverina ny batisa, fa raisina na hatao indray mandeha monja.

Farany, dia tsara ny manantitrantitra, fa ny batisa dia tsy mamonjy. Araka ny Mar. 16/16 dia voambara fa izay mino sy atao batisa no hovonjena. Ary tohizany fa izay tsy mety mino no hohelohina. Ny finoana ihany izany no mamonjy, ary ny tsi-finoana no mahavery. Koa ny batisa dia fanehoana izany finoana izany sy fidirana ao anatin'ny faneken'Andriamanitra.(Lio.12:9; Rom.10:9) Ka dia tokony hatao ny batisa, saingy tsy izy no miantoka ny fidirana marina ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra fa fanehoana izany fotsiny izy. I Paoly Apostoly rahateo dia nanambara fa "Kristy tsy naniraka azy hanao batisa, fa hitory ny Filazantsara. " (Kor. 1/17) Koa ny finoana sy ny fampinoana no zava-dehibe fa tsy ny fisehoan'izany akory. Saingy nomena baiko hitory sy hanambara ary haneho ny finoana ny asan'i Kristy amin'ny alalan'ny batisa isika, ka dia tsy maintsy manao izany.

Farany, ny fanoloran-tenan’ny olon-dehibe eo amin’ny fidirany ho mpiray latabatra amin’ny Tompo, dia fanamafisana ny feneken’ny Batisa (Confirmation du baptême) Koa tsy batisa vaovao akory izy, fa dingana vaovao eo amin’ny fidirana ho mpiray dia amin’i Kristy.

* Ny batisan’ny zaza: LALAN’NY FITOMBOANA AO ANATY FAHAMASINANA.

Famelabelarana mikasika ny Lioka 2:52: Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.”

Mise à jour le Mardi, 26 Mars 2013 17:30
 
D9 - Ny olombelona sy ny fahariana
Écrit par Andriamiandra Elysée
Mercredi, 06 Mars 2013 19:57
PDF Imprimer Envoyer

NY OLOMBELONA SY NY FAHARIANA

Gen.2/4-25

2/4            Ny tantara dia miresaka ny fiandohan’ (firazanana) ny lanitra sy ny tany mba hilazàny ny amin’ny olombelona sy ny anjara-toerany eo amin’izao tontolo izao.

2/5-6        Ny tany dia efa novononin’Andriamanitra mba hanirian’ny zava-maniry samihafa, nefa tsy ilana ny olona hiasa azy akory izany.

2/7            Avy tamin’ny: mifamatotra ny olona sy ny tany namoronan’Andriamanitra azy.

Novolavolaina: (yatsar) manondro ny asan’ny mpanao vilanitany amin’ny tanimanga. (Isa.45/9; 64/7; Jer.18)

Adamah, Adma: tany, vovo-tany

Adama: olombelona, olona.

Vakio Joba 10/9 ; 34/5)

Fofon’aina mahavelona: afaka milaza ny aina mahatonga ny fahavelomana izany, nefa koa dia manondro ny fanahy izay mampiavaka ny olona amin’ny biby.

2/8            Tsipiho tsara fa nataon’Andriamanitra ho an’ny olona ny saha Edena.

2/9            Nisy karazany roa ny zava-maniry:       ireo izay nohariana noho ny hatsaran-tarehiny

Ireo izay nohariana ho fihinana

Ny hazon’aina: zava-maniry izay miaro amin’ny fahafatesana (vakio Ap.22/2)

Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy: hazo mampahalala ny zavatra rehetra: ny tsara sy ny ratsy, ny soa sy ny loza, ny fahasambarana sy ny fahoriana, ary raha itarina dia ny fiainana sy ny fahafatesana.

2/10-14    Ny filazalazana eto dia toa manondro Faritany iray izay misy an’I Irak ankehitriny (Babylona fahizay)

2/15          Nitondra, namponina: manakaiky ny hevitry ny fitsaharana.

Miasa: (abad) teny ampiasaina amin’ny fambolena midika hoe mampitombo vokatra, manompo.

Mitandrina: (shamer) mitandrina, miaro, mikarakara, manolokolo.

≠ manimba, mandratra, manao tsirambina, manary, mandrava.

2/16-17    Misy ny azo atao sy ny voarara. Tsy fandraràna baraingona (arbitraire) anefa izany fa mikendry ny fiarovana ny fahasambarana na ny fiadanan’ny olombelona.

2/18          Sarotiny amin’ ny fiadanan’ny olombelona Andriamanitra.

Tsy natao ho mpanirery ny olombelona (natao hiara-monina).

Vady sahaza: (ézer) mpanampy tandrifiny. Io teny io dia matetika enti-manondro an’Andriamanitra mitondra vonjy na manampy ny olony; izany teny izany no nakana ny anaran’ny zanak’i Mosesy faharoa: Eliezera= Andriamanitra no namonjy, nanafaka ahy.

2/19-20    Ny vady sahaza ho an’i Adama dia tsy hita tany amin’ny biby, na dia nitovy aza ny fomba nanaovan’Andriamanitra azy (novolavolaina) sy ny akora nakana azy (adamah).

Manonona: mamantatra

2/21-23    Noharian’Andriamanitra mba hifampizara ny maha-izy azy manontolo amin’ny lehilahy ny vehivavy, ary ao amin’ny fanambadiana no sehatra iainany izany. Ny lehilahy dia natao ho an’ny vehivavy ary ny vehivavy ho an’ny lehilahy.

2/24-25    Ao amin’ny fanambadiana dia iray ihany ny lehilahy sy ny vehivavy, ka iombonany ny zavatra rehetra (vatana, fo, fanahy, saina).

Mise à jour le Mardi, 26 Mars 2013 17:30
 
D9 - Ny fibebahana
Écrit par Andriamiandra Elysée
Mercredi, 06 Mars 2013 19:38
PDF Imprimer Envoyer

NY FIBEBAHANA

FAMARITANA

Ny teny hoe "fibebahana". "mibebaka" ary "mibebaha" dia miverina mihoatra ny intelopolo ao amin'ny Testamenta Vaovao. Manaporofo avy hatrany ny halehiben'izany fampianarana izany ny fiverimberenany.

Ny diksioneran'ny Baiboly dia milaza fa ny atao hoe : "fibebahana" dia enti-milaza fiovan-toetsaina (mentalité) na fiovam-pikasana (intention). Ny fibebahana araka ny hevitry ny mpandinika ny Soratra Masina dia izany tokoa "alahelo anaty noho ny fahatsapana ny fahotana natao sy iainana sy noho ny fahatsiarovana fa nampalahelo an'Andriamanitra izany koa dia manjary miteraka fiovan-toetsaina izany sy fiovam-pikasana.

Moa ilaina tokoa ve ny fibebahana ?

Ny finoana an'i Jesoa Kristy no mahavonjy hoy ny maro, ary ny fandraisana Azy ho Mpamonjy sy Tompo no andraisana fiainana mandrakizay. Tsy lavitra izany saingy ny finoana tsy miteraka fibeba­hana dia tsy finoana mahavonjy akory. Ny fibeba­hana no hafatra voalohany entin'ny Filazantsara. Mpitory teny ngezalahy telo no samy nanomboka ny asa fanompoany tamin'ny fiantsoantsoana mafy hoe : "Mibebaha ianareo". Fa toy izao no hita ao amin'ny Filazantsara "Ary tamin'izany andro izany dia niseho i Jaona Mpanao batisa, nitory tany an'efitr'i      Jodia nanao hoe “Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra” (Mat 3.1-2) Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitoriteny i Jesoa ka nanao hoe "mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra” (Mat 4:17), Ary hoy i Petera taminy: “ Mibebaha ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo, ary ianareo handray ny fanomezana dia ny Fanahy Masina" (Asa 2 38) Nanamafy ny anton'ny nahatonga­vany ny Tompo Jesoa ka nilaza fa "tsy avy hiantso ny marina Izy (fa iza moa no ho marina eo anatrehan'Andriamanitra) fa ny mpanota HIBEBAKA (Lio. 5:32) Ary dia hoy koa

Izy "Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka ” (Lio. 15:7)­ 

Raha ireo andinin-tSoratra Masina ireo no dinihina dia ekena fa tena ilaina ny fibebahana ary mazava ho azy koa fa raha tsy mibebaka ny olona dia tsy hahazo hiditra ao amin'ny fanjakan'Andria­manitra izy

Inona avy no fonosin'ny teny hoe : fibebahana

1°- Fiaiken-keloka : Tsy misy olona afaka tena hibebaka marina raha tsy resy lahatra izy aloha fa mpanota ary ny ota nataony dia mampisaraka azy amin’Andriamanitra. Tsy vitan'izany ihany fa mety misy olona hilaza hoe: Izaho anie tsy nangalatra, tsy namono olona, tia ny vady aman-janako aho, sns Tokony ho tsarovantsika fa hoy ny Soratra Masina: “Tsy misy marina na dia iray akory aza samy nania avokoa izy rehetra , tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza" (Rom 3:10-12) 

Raha ny marina dia samy miaiky ny olona fa mpanota izy saingy dia manamarin-tena fotsiny izao izy mba tsy hibebahany. Nefa dia ny "fieritre­retany no vavolombelony, ary ny fisainany mifam­piampanga nefa dia mba mifanafaka koa" (Rom 2:15)

2°- Fifonana : Zava-tsarotra amin'ny olona tokoa ny mifona amin'ny fahadisoana nataony. Na dia I Davida aza dia nalaim-panahy koa tsy hifona (Sal 32 :3) nefa nibebaka tamin'ny fahotany ihany izy ka izao no nosoratany: “Ny fahotako namba­rako taminao. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin i Jehovah aho ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako" (Sal.3:25) Ilay zanaka adala koa dia nieritreritra hoe "Hiainga aho dia hody any amin'ny Raiko ka hanao hoe: Raiko ô' efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony" (Lio 15:18-19)

3°- Fahatapahan-kevitra hiala amin'ny ratsy. 

Ny tena fibebahana marina dia miteraka fankahalana ota ao am-po, sy hetahetam­pisarahana amin'ny fahazaran-dratsy teo aloha ary faniriana fatratra "hitondra voa miendrika ny fibebahana" hiaina amin’ny “fiainam-baovao". Raha hilaza ny momba izany i Paoly dia hoy izy "Fa nambarako voalohany, tamin'izany tany Damaskosy sy Jerosalema .. mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamaritra izy, ka hanao asa miendrika ny fibebahana" (Asa. 26:20).

Tokony hotsaroan'izay tena mibebaka marina anefa fa tsy mahay manao asa miendrika ny fibebahana izy raha tsy miray amin'ilay tena voaloboka :"Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray Amiko ary Izaho aminy dia mamoa be izy, fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona" (Jao 15:5)

4°- Fankatoavana an'Andriamanitra.

Raha tsy mbola nibebaka ny olona dia ao amin'ny fanjakan'ny maizina izy izany hoe i Sakana no manapaka ny fiainany, fa rehefa mibebaka kosa izy dia izao no filazan'ny Soratra Masina azy "hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra" (Asa.26:18) Ambaran'nv Soratra Masina ihany koa anefa fa ny tena fibebahana marina dia tsy misaraka amin'ny finoana an’i Jesoa Kristy: “ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny Jentilisa koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesoa Kristy Tompontsika.” (Asa.20:21) Ny fibeba­hana marina mantsy dia ahazoana famelan­-keloka, “nefa raha tsy misv ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka” (Heb.9:22) koa dia ny finoana ny Ran’i Kristy: “Ran'ny fanekena vaovao" (Lio. 22:20) no ahazoantsika famelan-keloka: “Ny ran'i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.” (1 Jao 1: 8) 

5°- Fahavononana hibehaka avy hatrany raha sendra manota . 

Ny olona nibebaka dia tsy tonga Anjely akory fa mbola olombelona ihany izy. Mbola halaim-­panahy koa izy satria mbola mitoetra amin’ny "nofo namidy ho andevon'ny ota.” (Rom.7:14) Hitombo kosa amin'ny fahamasinana izy, izany hoe amin'ny fanokanany tena ho an’i Kristy. Tsy voatery ho tsy maintsy hanota izy, nefa mety halaim-panany ary mety hianjera koa: “Raha hoy isika tsy manana ota isika dia mamita-tena ary ny marina tsv ato anatintsika.” (1 Jao.1: 8) Saingy ny fiovam-piainana noraisiny tamin'ny Tompo dia mamela azy hangina mandra-pibebany: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra.” (1 Jao.1:9)

Raha mbola tsy mibebaka ny olona dia tsy mampaninona azy ny miaina fotsiny amin’izao, ary mifaly aza rehefa nahazo tombon-tsoa na fahafinaretana na dia tamin’ny fahotana aza no nahazoany izany. Hafa lavitra noho izany kosa ny an’ny olona efa nibebaka: “mankahala na dia ny akanjo voapentipentin’ny nofo (ota) aza.” (Joda 23) izy ary vonon-kibebaka lalandava araka ny faniriany tsy hanome alahelo ny Fanahy Masina ao anatiny. (Ef.4:30)

Mialoha ny fahateraham-baovao ny fibebahana.

Foto-pampianarana lehibe (raha tsy ny lehibe indrindra) amin’izay nampianarin’i Jesoa Kristy ny fahateraham-baovao: “Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra izy.” (Jao.3:3b) Varavaran-tokana hidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra izy, ary amin’ny finoana no hidirana ao. Ny tena finoana marina anefa dia ny finoana an’i Jesoa Kristy “Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” (Jao.1:29), ary izany finoana izany dia miteraka fibebahana. Koa ny fibebahana dia mialoha ny fahateraham-baovao. 

Misy fomba sasanv hita ankehitriny dia ny hoe: “mandray an’i Kristy ho Mpamonjy” ny tena. Tsara izany saingy mazàna dia maivamaivana ny fiheveran'ny olona izany. Ny sasany aza dia tsy mandalo amin’ny fibebahana akory. Ary raha vao ny fibebahana no torina dia lazain'ny sasany fa asam-pifohazana izany sns… Fahadisoan-kevitra lehibe tokoa izany fa na iza na iza tsy mibebaka marina dia tsy hahazo hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy izy na inona na inona fiheverany ny tenany: “Ary tamin’izany andro izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy (Jesoa) satria tsy nibebaka ireo.” (Mat: 11:20) Tsia hoy izaho aminareo fa raha tsy mibebaka ianareo dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.” (Lio 13:3) "Kanefa manan-teny kely aminao Aho…. ary nomeko andro hibehahany izy nefa tsy mety mibebaka amin’ny fijangajangany …ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany. " (Apok 2:20-23) 

Rehefa nibebaka kosa ilay zanaka adala (Lio.15:11-24) dia nolazaina fa nitsangana tamin’ny maty izy (and 24) izany hoe nandray fiainam-baovao ary ny fibebahany tamin-dRainy sy ny fiverenany tanteraka ho ao an-tranon'i Dada no nialoha ny fandraisany ny maha-zanaka azv indray (and 22-24)

Ilaina ve ny mibebaka ampanibemaso ?

Tokony hotsaroana aloha fa ny ota rehetra dia ota natao tamin'Andriamanitra avokoa araka ny fampianaran'ny Soratra Masina: “Taminao dia taminao ihany no nanotako ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko” (Sal. 51:41) Ary noho izany dia Andriamanitra no tokony hibebahana voalohany indrindra: “Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'ny Jehovah aho.” (Sal 32:5)­

Moa voatery tsy maintsy ho ampahibemaso ve izany ? Tsia

Na izanv aza anefa dia ilaina ny mibebaka amin’izay olona nanaovan-dratsy: "Mifaneke heloka ianareo ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo.” (Jak.5:16) Ary hoy koa i Jesoa: “Ary amin’izany raha mitondra ny fanatitrao ho eo anoloan’ny alitara ianao ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao ka mandehana aloha ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao ary rehefa miverina dia vao atero ny fanatitrao” (Mat.5:23-24) Toa tsapa avy amin’izany fa raha tsy mahatsiaro ho manana alahelo aminao ny rahalahinao, na tsy mieritreritra na inona na inona akory dia aleo mangina satria ny filazanao aminy ny eritreritrao tsy marina aminy dia vao mainka handoto ny sainy. 

Ny fiaiken-keloka ampahibemaso dia tsy ilaina afa-tsy amin'ny ota natao ampahibemaso ka niteraka fahatafitohinana tamin'ny maro.

Amin'ny fijoroana ho favolombelon'ny famon­jena noraisina tao amin'i Kristy dia misy tia mamiravira imasom-bahoaka ny fahotana nataony na dia izay tsy tokony hambara ampahi­bemaso akory aza. Marina fa mampiseho ny herim-panafahan'i Kristy izany saingy matetika miteraka fireharehana ao am-pon'ilay milaza ny tenany ho olona afaka ary tsapa fa maro tamin'ireo niseho ho olom-baovao tamin'ny famiravirana ampahibemaso ny ota fanaony teo aloha no nianjera sy niverin-dalana. Ary izany no tokony hitandremana rehefa mijoro ho vavolom­belon'i Kristy isika. Tsy ny fitsikerana ny ota natao (ny fomba nentina nijangajanga, namono olona, nisotro toaka, nangalatra ets…) no manome voninahitra ny Tompo fa ny nanomezany anao ny vokatry ny Fanahy (Gal 5:22-24) rehefa nibebaka ianao.

Hevi-diso momba ny fibebahana :

Misy manana hevi-diso momba ny fibebahana ary heveriko fa tsara ny hahalalantsika izany.

Hevi-diso ny fiheverana fa:

1°- Ny fibebahana ampanibemaso no manala ny fahotana. Tsia.

Ny fahatokiana ny asam-panavotana nataon’ny Tompo teo amin’ny hazofijaliana sy ny fandrotsahany ny rany ho antsika ho famelan-keloka no ahazoantsika famindram-po fa tsy ampy ny fibebahana tsy arahina finoana fa mamela heloka izay mibebaka marina ny Tompo. (1Jao.1:19)

2°- Ny fiaiken-keloka ampahibemaso dia ahazoana sitraka amin’ny olona. Tsia. Tsy sitraka amin’olombelona no tadiavintsika fa sitraka avy amin’ Andriamanitra.

3°- Tokony hibebaka ampahibemaso tahaka ny hafa aho. Tsia.

Samy manana ny ota nataony teo anatrehan’Andriamanitra ny olona tsirairay ka dia anjaranao ny mibebaka Aminy na dia ao amin’ny mangina aza.

4°- Ny fibebahana ampahibemaso dia tokony hataoko mba ho hitan’ny olona fa tena nibebaka marina tokoa aho na dia tsy fantatra aza ny fahotako. Tsia.

Ny fibebahana ampahibemaso dia tsy ilaina hoy isika raha tsy ota nanimba ny fiangonana na ny mpiara-monina izany.

Ny fibebahana marina dia fanomezana avy amin' Andria-manitra.

"Andriamanitry ny razantsika efa nanangara an'i JESOA…Izy nasandratry ny tanana ankava­nan'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy HANOME FIBEBAHANA sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely" (Asa 5:30-31) "Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an’ANDRIAMANITRA ka nanao hoe: “Efa nomen'Andriamanitra ny Jentilisa koa ny fibeba­hana hahazoany fiainana.” (Asa 11:18)

Andriamanitra no nanome an'i Jesoa Kristy ho faty teo ambony hazo fijaliana hisolo voina antsika. ary izany fanomezana izany dia mitarika antsika ho amin'ny fibebahana.

Izany no porofo fa efa nanome antsika ny fibebahana Izy. Saingy na dia “mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao mba hibebaka ” (Asa. 17:30) aza IZY dia tsy manery kosa fa manaja ny safidin'ny tsirairay. Moa tsy maro va ny didiny nefa dia izay te-hanaraka izany ihany no manaraka. 

Misokatra ho an'ny olona rehetra ny lanitra saingy izay te-hiditra ao dia tsy maintsy mandalo amin'ny FIBEBAHANA. Omeny fotoana hahazoana mibebaka isika, ary mampanantena famelan-keloka ho antsika Izy raha mibebaka marika isika. Tsy hanentsin-tadiny na oviana na oviana amin'izay miantsoantso hoe Izy: “Ray ô, Mamindrà fo amiko mpanota" (Lio.18:13) Ka inona indray no andra­santsika? Te-hovonjena va ianao, nahoana no tsy izao anio izao ?

Razafiarison Emilien 

Mise à jour le Mardi, 26 Mars 2013 17:29
 
D9 - Ny famelan-keloka
Écrit par Andriamiandra Elysée
Mercredi, 06 Mars 2013 19:03
PDF Imprimer Envoyer

NY FAMELAN-KELOKA

 

Misy teny maromaro ao amin'ny Baiboly entina mandika ny hoe “mamela heloka” :

- mamela, manarona (ny fahadisoana, ny fahotana, heloka): Sal.32:1; Mat.9:2; Lio.7:48

- tsy manisa (ny) heloka: Nom.12:11; Sal.32:2; Rom.4:8

- mampitsahatra, mampiala (ny fahatezerana): Sal.85:3

- tsy mahatsiaro, manadino: Ez.33:16; Isa.43:25

- manila, mamafa (ny ota, ny fahadisoana), manadio, mamono (ny fahalotoana): Isa.6:7; 43:25; Sal.51:2

- manary any ivoho (izany hoe tsy mijery): Isa.38:17

- manitsakitsaka ny fahotana: Mika 6:14

Ny heloka, ny ota, ny fahadisoana, ny fihodinana, ny fitenenan-dratsy no mila famelàna ( Mat.12,14; Mar.3:28)

Ny toetran’ny famelan-keloka

Ny famelan-keloka dia tsy fandavana ny fahadisoana na ny manao azy ho tsy misy, fa ny fanafoanana ny fahadisoana iaikena sy tena marina.

Andriamanitra no mpamela heloka, ka amin’ny maha-Tsitoha Azy Izy no mamafa ny hadisoana noho ny famindram-pony sy ny tsy fivadihany.

Foto-kevitra

Ao amin’ny Soratra Masina, ny olom-bonjena dia ny mpanota izay navotan’ Andriamanitra (naloan’Andriamanitra ny trosany). Vokatr’izany dia tsy jeren’ Andriamanitra intsony ny otany fa nariany any ivohony (Isa.38 :17), navelany, novonoiny (Eks.32 :32), nesoriny, nopotehiny (Isa.6 :7).

Andriamanitra irery no afaka mahafa-keloka, fa ny mpanota dia tsy manan-kaloha (Lio.7 :42, cf. Mat.18 :25)

Ny famelan-keloka dia arahin’ny fanomezana ny Fanahy Masina.(Lio.24 :47 ; Asa 2 :38)

Ny Andriamanitry ny famelan-keloka

Eo amin’ny maha-olona, dia tsy azo hamarinina ny famelan-keloka. Nefa tsy toy ny fon’ny olona ny fon’Andriamanitra (Hos.11 :8-9), ary tsy tia ny hahafatesan’ny ratsy fanahy na ny mpanota Izy, fa ny mba hiovany fo sy hialàny amin’ny lalan-dratsiny (Ez.18 :23-24)

Ny mpanoratra ny Salamo dia mampivoitra io fisainan’Andriamanitra io, ka mahatonga azy hatoky Azy (Sal.32 :5 ; 78 :37-39) ; Ilay Andriamanitra mahatoky dia mamindra fo amin’ny zanany (Sal.103 :2-4, 8-14 ; cf. Isa.49 :15)

Ny fahazoana ny famelan-keloka

Ny famelan-keloka teo amin’ny Testamenta Taloha dia azo amin’ny alalan’ny fanaterana fanatitra (fanati-panonerana, fanatitra noho ny ota). Ambaran’ny Mpaminany anefa fa tsy mahazo fankasitrahana ary tsy misy heviny ny fanatitra aterina amin’ny fanahy tsy mendrika. (Jer.6:20; Isa.1:13)

Koa izay ilaina ho amin’ny famelan-keloka dia 1°: ny fiaiken-keloka (miaiky ny heloka sy manaiky fa meloka) (Sal.51:3-4; Jer.14:20); mitaky fahatsiarovana ho marary na malahelo noho ny ota natao izany (Sal.6: reraka, mihozohozo taolana, manana fanahy mangovitra, misento, mitomany ) noho ny fahatsapana ny gravité n’ny ota natao teo anatrehan’Andriamanitra. Io no antsoiana amin’ny hoe “torotoro fo sy mangorakoraka” (Sal.51:17); ny 2° dia ny fifonana (jereo ny lesona momba ny fibebahana); ny 3° dia ny fiovam-po (miova lalana, miverina amin’Andriamanitra (Jer.3:14; Ez.18:30-32; 33:11, 14-16); ny 4° dia ny fandehanana amin’ny lalam-baovao, izany hoe mankatò an’Andriamanitra sy mikatsaka ny Fanjakany sy ny fahamarinany mialoha ny zavatra rehetra (Mat.6:33) .

Tsara marihina anefa fa misy antoka iray amin’ny famelan-keloka izay tsy azo hadinoina satria mety manafoana iretsy ambony, izay nambaran’ny Tompo tao amin’ny Vavaka nampianariny : “Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” (Mat.6:12). Dia hazavain’ny Tompo ny hevitr’io ao amin’ny andininy faha-14-15: Fa raha mamela ny fahadisoan’ ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo."

Ny famelan-keloka dia mikendry ny fampihavanana (réconciliation) :

- ny fampihavanana amin’Andriamanitra. Tsy nahatanteraka ny Fanekena Voalohany izay niorina tamin’ny lalàna ny olombelona noho ny fahalemeny (Vakio Rom.2). Ny Fanekena Vaovao na Faharoa izay miorina amin’ny fahasoavana, ary Andriamanitra irery no tompon’antoka, no nahatanteraka io fampihavanana io noho ny ràn’i Kristy sy ny asany (Ef.2 :13-16 ; 1Kor.11 :25 ; Lio.22 :20 ; 2Kor.3 :6) 

- ny fampihavanana eo amin’ny samy olona (Gal.3 :28). Simban’ny fahadisona sy ny tsy fahamarinana ny fifandraisan’ny olona amin’ny namany ary fisarahana no vokatr’izany. Tao amin’i Jesoa Kristy anefa (Ilay tena Andriamanitra sy tena olona feno) dia nasehon’Andriamanitra fa azo iainana sy tanteraka ny fihavanana (ao amin’i Kristy). Koa ny famelan-keloka dia tsy tanteraka raha tsy mahatratra ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fifandraisana amin’ny olona izy. Ny famelan-keloka dia mikendry ny famerenana ny olona amin’ny sitrapon’Andriamanitra fototra dia ny Lalàna : Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. Ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao." (Mat.22 :37,39) 

Koa tsy tanteraka zava-kendren’ny famelan-keloka raha tsy mahatratra ireo refy roan’ny fihavanana ireo izy. Koa izay mandray famelan-keloka dia tsy maintsy mamela heloka koa. Io no antoky ny FIADANANA izay mampiavaka ny Fanjakan’Andriamanitra izay tiany haorina ao amin’i Kristy miaraka amin’ny mino.

Fehiny

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny famelan-keloka dia tsy zò fa fahasoavana ; tsy fahamendrehana fa avy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra irery ihany.

Eo andaniny dia ambara fa tsy mahavita mamonjy tena ny mpanota fa mila mpanavotra Izy (Mat.18 :23-35) ary tsy hahazo fanamarinana avy amin’ny lalàna izy satria tsy afaka hanatanteraka ny lalàna (Rom.3 :9-10, 12 ; 5 :8 ; cf. 3 :20, 28 ; 4 :15)

Etsy ankilany kosa dia ambara sy torina ny famelan-keloka. Io no Filazantsara na Vaovao Mahafaly manambara ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra ho an’ny mpanota.

Loharanom-pamonjena ny famelan-keloka, ho an’ny mpanota mibebaka. Ny famafàna ny ota dia tanteraka tamin’ny fanavotana (fividianana) nataon’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana.(Mar.10 :45) Ao amin’i Kristy no miorina sy tanteraka ny famelan-keloka, ka dia manana fahefana hamela heloka Izy. (Mar.2 :57, 7, 10), ary amin’ny anarany koa no hanomezana ny famelan-keloka noho ny fandraisana ny Fanahy Masina (Jao.20 :21-23 ; Asa 10 :43 ; 13 :3.8).  

Mise à jour le Mardi, 26 Mars 2013 17:28
 
<< Début < Précédent 1 2 Suivant > Fin >>
Page 1 sur 2